Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 6: FANAMBARANA MARO MOMBA AN’I JESÔSY - Fanekena sy fandavana

Daty
Talata 05 November 2024

FANEKENA SY FANDAVANA

Manoritsoritra ny namahanan'i Jesôsy ireo olona tsy omby dimy arivo ao amin'ny Jao. 6 ny lesona 2, fa tsy voalaza ao ny ampahany farany amin'io tantara io, izay hodinihintsika eto.

Vakio ny Jao. 6:51-71, Inona no nolazain'i Jesôsy, Izay nanahiran- tsaina ny olona ny nandray azy?

Novokisan'i Jesôsy tamin'ny fomba mahagaga ny vahoaka, koa vonona izy ireo izao hanao Azy ho Mpanjaka (Jao. 6:1-15). Kanefa taty aoriana, rehefa niresaka tamin'izy ireo tao amin'ny sinagóga tao Kapernaony i Jesôsy, dia nohazavainy taminy ny hevitra ara-panahy fonosin'ilay fahagagana, ka hoy Izy: "Izaho no mofon'aina" - Jao. 6:35. Nambarany an-tsipiriany kokoa fa ny nofony io mofo io, izay omeny ho fiainan'izao tontolo izao (Jao. 6:51).

Nanokatra ny sain'ny vahoaka izany fanambarana izany fa tsy naniry ny ho mpanjakany eto an-tany i Jesôsy. Tsy nifanaraka tamin'ny fomba fisainan'izy ireo araka ny tany i Jesôsy. Tsy nanaiky hiova fo izy ireo, kanefa ho nanova ny fomba fisainany hahafantarany sy hanekeny an'i Jesôsy ho Mesia izany. Maro tamin'ireo mpianany no niala Taminy tamin'io fotoana io (Jao. 6:66).

Inoana fa mafy tamin'i Jesôsy izany, raha ny fahatsapany amin'ny maha- olombelona Azy. Mahafinaritra mantsy izany ankasitrahan'ny olona izany. Iza no tsy maniry ho mamim-bahoaka? Fa mahakivy kosa ny mahita olona maro mihataka sy misalasala manoloana ny foto-kevitry ny tena. Nony hitan'i Jesôsy fa maro no nandao Azy dia nanontany ireo mpianany akaiky Azy Izy, dia izy roambin'ny folo lahy, hoe: "Hianareo koa va mba te-hiala?" Tamin'io fotoana io i Petera no nanao izao fiaikena mahagaga izao, izay sady fanambarana izay ananan'i Jesôsy no manambara ny maha-lzy Azy koa: "Tompo ô, hankany amin'iza moa izahay? Hianao no manana ny tenin'ny fiainana mandrakizay. Ary izahay mino ka mahalala fa Hianao no llay Masin'Andriamanitra." - Jao. 6:68,69.

Efa roa taona no niarahan'ny mpianatra nandeha tamin'i Jesôsy , nahitany ny fahagagana nataony, nihainoany ny toriteniny. Fantatr'izy ireo tamin'ny alalan'ny fanandramana fa tsy misy na iza na iza azo ampitahaina Aminy. Resy lahatra izy ireo fa na hafahafa toy inona aza ny toe-javatra, na maro aza no tsy mbola takany momba ny tanjona nokendren'ity Lehilahy ity, dia Izy no Mesia. Taorian'ny nahafatesan'i Jesôsy sy ny nitsanganany tamin'ny maty vao nanomboka takatry ny mpianatra ny antony nahatongavan'i Jesôsy .

Inona ny lesona azontsika raisina avy amin'io tantara io? Matetika no diso hevitra ny ankamaroan'ny olona, sa tsy izany? Nahoana no tsy azontsika hadinoina izany, indrindra rehefa ireo lafim-pinoantsika tsy dia ankasitrahan'ny maro eny, tsy ankasitrahan'ny ankamaroan'ny Kristianina aza no resahina?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.
Fri 15 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal