Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 6: NY FANATITRA - Fampidirana

Daty
Sabotsy 03 May 2025

Hodinihina mandritra ny herinandro: Isa. 1:2-15; Heb. 10:3-10; Eks. 12:1-11; 1 Kor. 5:7; Hag. 2:7-9; Isa. 6:1-5; Apôk. 4:7-11.

Tsianjery:

"Ary nihira fihiram-baovao izy ka nanao hoe: Hianao no mendrika haka ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny; fa voavono Hianao, ary ny ranao no nanavotanao ho an'Andriamanitra olona avy tamin'ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny, sy ny olona ary ny firenena rehetra." - Apôk. 5:9.

Hoy i Jaona mpanao batisa rehefa nanatona azy i Jesôsy : "Indro ny Zanak'ondrin'Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan'izao tontolo izao!" Jao. 1:29. Manambara mazava ny amin'ny biby atao fanatitra alatsa-drà izany, izay manondro ny sorona nataon'i Kristy tamin'ny nahafatesany teo amin'ny toeran'ny taranak'olombelona.

Tsy afa-miala amin'io lohahevitra momba ny fanatitra io isika ao amin'ny Baiboly manontolo. Mitana toerana manan-danja izany ao amin'ilay toe-javatra lehibe ao amin'ny Apôkalipsy, izay nitondrana an'i Jaona ho eo anatrehan'ny seza fiandrianan’Andriamanitra (Apôk. 4,5). Manampy tokoa amin'ny fahatakarana ny vanim-potoana ara-paminaniana manontolo ny fisehoan'i Jesôsy eto amin'ny endriky ny zanak'ondry efa voavono (Apôk. 5:6).

Handinika lohahevitra vitsivitsy mikasika ny fanatitra isika amin'ity herinandro ity, izay manampy antsika hahafantatra mazava ny amin'i Jesôsy , Ilay Zanak'ondry voavono, Izay mpandray anjara fototra ao amin'ilay toe-java-miseho eo amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra. Ekena ho mendrika Izy, ary tsy misy ankoatra Azy. Midika zavatra betsaka momba izay nataon'ny Tompo tamin'ny alalan'ny rafi-pisoronana io fahamendrehany manokana io. Maneho Azy ho Andriamanitra fitiavana mandrakizay izany, Izay nanao ilay fanatitra faratampony - fihetsika iray izay hampitolagaga antsika sy ny mponin'ny lanitra mandrakizay.

*Famerenana ny lesona ny sabata 10 May.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Ny vokatry ny fanompoana tena izy.
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fahoriana sy voninahitra.
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -Fanompoam-pivavahana mifantoka amin’i Kristy.
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Antso ho amin’ny fahamasinana.
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fiononana sy alahelo.
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fianarana fanampiny.
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (21)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal