Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 6: NY FANATITRA - Fianarana fanampiny

Daty
Zoma 09 May 2025

Mazava ny voalazan'ny Soratra Masina fa i Kristy irery ihany no mendrika hanatanteraka ny famonjena antsika. Ny fiainany no hany fiainan'olombelona tsy voapentin'ota, ohatra amin'ny fiainana izay nanome voninahitra tanteraka an'Andriamanitra Ray. Izy no Zanak'ondrin'Andriamanitra tsy misy kilema, ary ankehitriny dia mijoro amin'ny maha-Lohan'ny taranak'olombelona Azy Izy, ho antoka mandrakizay ho antsika. Ary nitondra ny helotsika koa Izy ka nahafa-po ny fitsarana izay tsy maintsy nasetrin Andriamanitra ny faharatsiana. Raha mbola talanjona nijery ireo zava-manana aina tany an-danitra nanodidina ny seza fiandrianan'Andriamanitra i Jaona, dia nilazana mba tsy hitomany intsony satria "ny Liona avy amin'ny firenen'i Joda (...) dia efa naharesy" - Apôk. 5:5.

Saino koa ny maharatsy ny fahotana sy ny halalin'ny fahalavoan'ny olombelona, hany ka tsy nisy vahaolana ho an'izany afa-tsy ny fahafatesan'i Jesosy, dia Andriamanitra mihitsy. Inoana fa raha nahita fomba hafa azo namonjena antsika Andriamanitra, fomba izay tsy mandika ireo fitsipiky ny fitondram-panjakany, dia izany no ho nampiasainy.

"Nitady ny ain'ny mpandika azy ny didin'i Jehôvah nohitsakitsahina. Masina toa an'Andriamanitra mihitsy izany didy izany, ka tsy maintsy izay mitovy aminy no atolotra mba ho fanavotana ny olona sy hampihavana azy indray amin'Andriamanitra, Ilay Tompon'ny voninahitra sy Mpitarika ny tafiky ny lanitra rehetra, Izy no mitovy amin'Andriamanitra. Mba hahazoany manatanteraka izany adidy izany, dia tsy maintsy mandray ao amin'ny tenany ny heloka sy ny mariky ny fahotana Izy, hidina hatrany amin'izay farany ambany indrindra amin'ny fahafaham-baraka ka hosarahina amin'ny Ray (...) ka dia nanaiky hanao ny fanavotana Izy sy hiaritra ny loza rehetra vokatr'izany." -PM, t. 41.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Toy ny efa "voavono" no nahitan'i Jaona ilay zanak'ondry teo amin'ny seza fiandrianana. Hitantsika ao amin'ny Apôk. 13:8 fa "voavono hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao" i Jesôsy. Raha efa vonona talohan'ny nilantsika azy ny drafi-pamonjena, araka izany, inona no ambaran'izany momba an'Andriamanitra?

2. Maro amin'ireo tsy mino ny fisian'Andriamanitra ("athée") no milaza fa isika dia ao anatin'ny tontolo iray lehibe mangatsiaka, tsy misy mpihevitra, ary tsy misy ankoatra antsika. Ny Baiboly anefa tsy vitan'ny miresaka momba an'Andriamanitra fa milaza ny amin'ny fitiavany izao tontolo izao koa, hany ka nidina teo aminy mihitsy Izy, ary nahafoy ny ainy ho azy aza. Tokony hanao ahoana ny fomba fijerintsika izao tontolo izao sy ny toerana misy antsika ao anatin'izany, raha mitaha amin'ny an'ireo tsy mino an'Andriamanitra mihitsy? Izany hoe, amin'ny maha-zava-misy marina ny hazo fijaliana, inona no tokony ho akon'izany eo amin'izay rehetra ataontsika?

3. Nahoana no tsy nisy fomba azo namonjena ny taranak'olombelona afa-tsy ny fiainan'i Kristy sy ny fahafatesany ary ny fitsanganany tamin'ny maty? Eto indray, ahoana no anehoan'izany vidiny lafo dia lafo izany ny tena maharatsy ny fahotana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny
Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal