Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 6: NY FANATITRA - Ilay zanak’ondrin’i Paska

Daty
Talata 06 May 2025

Intelopolo eo ho eo no iantsoan'ny bokin'ny Apôkalipsy an'i Jesosy hoe: "Zanak'ondry". Hatrany am-piandohan'ny drafi-panavotana, dia nataon'ny vahoakan Andriamanitra ho tandindon'ny Mesia ho avy ny zanak'ondry. Nitondra ny voalohan-terak'ondriny i Abela (Gen. 4:4), ary talohan'ny nialan'ny Isiraely tao Egipta ho any amin'ny Tany Nampanantenaina, dia nasaina namono zanak'ondry iray taona hatao fanatitra izy ireo mba hanavotana ny lahimatoany rehetra na olona na biby (Eks. 12:5).

Vakio ny Eks. 12:1-11; Isa. 53:7,8; 1 Kor. 5:7; ary ny Apôk. 5:6. Inona no ampianarin'ireo andininy ireo antsika momba an'i Jesôsy , fanatitry ny Paska? Midika inona ho an'ny tsirairay avy amintsika izany?

Nisaintsaina ny amin'izay rehetra nitranga i Petera taona maro taorian'ny nahafatesan'i Kristy sy ny nitsanganany tamin'ny maty ary ny niakarany ho any an-danitra, ka nanoratra hoe: "fantatrareo fa tsy zavatra mety ho simba, tahaka ny volafotsy sy volamena, no nanavotana anareo tamin'ny fitondrantena adala, izay azonareo tamin'ny nentin-drazana, fa ny ra soan'i Kristy, toy ny ran'ny zanak'ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina." - 1 Pet. 1:18,19.

I Jesosy irery no nahatanteraka ny fahamasinana takin'Andriamanitra teo amin'ny fiainany maha-olombelona Azy. Ny hafa rehetra kosa dia samy efa nanota, ary ny fiainantsika feno fahotana dia tsy mifanipaka amin'ny toetran'ilay Mpahary antsika.

Nanjary "Adama farany" anefa i Jesôsy (1 Kôr. 15:45). Tonga lafatra Izy teo amin'ny fiainany, ary nahomby teo amin'izay tsy nahombiazantsika. Naneho ny tena tokony ho toetran'ny taranak'olombelona tamin'ny lafiny rehetra Izy. Naneho ny voninahitr Andriamanitra Izy. "Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray" hoy Izy tamin'i Filipo, "efa nahita Azy [ny Ray]" ianareo - Jao. 14:9,7.

Ary nohomboana tamin'ny Paska koa i Jesôsy , izay mampiseho fa Izy no Ilay Zanak'ondry tena izy. Nilaza i Jesôsy, ao amin'ny Jao. 18:19,20, fa "niteny miharihary" raha nampianatra. Tahaka izany koa ny zanak'ondrin'ny Paska ao amin'ny Eks. 12:5,6; nasaina nifidy zanak'ondry ho an'ny Paska ny zanak'Isiraely "hotehiriziny", izany hoe, hitan'ny rehetra tsara ilay zanak'ondry mandritra ireo andro maromaro mialoha ny fanatitra. Rehefa nanontany an'i Jesosy momba ny fampianarany ny mpisoronabe, dia nilaza Izy fa ny Tenany dia nampianatra ampahibemaso tao amin'ny tempoly mba ho fantatry ny olona rehetra. Ny fiainany, ny asany, ny fampianarany dia nanambara ny tena maha-Izy Azy marina. Izy no llay Zanak'ondry tsy misy kilema, izay fanehoana amin-kery indrindra ny fahamarinan'Andriamanitra sy ny voninahiny.

Amin'ny fomba ahoana no ahafahantsika maneho tsara kokoa ny toetran'i Jesôsy tonga lafatra eo amin'ny fiainantsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny
Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal