Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny faminaniana.

Daty
Alakamisy 06 August 2026

NY FANOMEZAM-PAHASOAVAN'NY FAMINANIANA

Lohahevitra resahin'i Paoly mikasika ny fanomezam-pahasoavana. Mahaliana fa Ny fanomezam-pahasoavan'ny faminaniana dia manana toerana lehibe ao amin'ny tononina matetika eo alohan'ny fanomezam-pahasoavan'ny fitenenana amin'ny fiteny samihafa ny fanomezam-pahasoavan'ny faminaniana (1 Kor. 12:10, 28; 1 Kor. 13:8). Rehefa ny fanomezam-pahasoavan'ny fiteny tsy fantatra no mandeha mialoha, dia ho fanamafisana fotsiny izany fa ny lanjany dia latsaka kokoa raha oharina amin'ny fanomezam-pahasoavan'ny faminaniana (1 Kor. 14:4, 5, 6, 22).

Vakio ny Efes. 4:11-13 sy ny 1 Kor. 14:3, 4. Inona no ambaran'ireo toko sy andininy ireo momba ny tanjon'ny fanomezam-pahasoavana ankapobeny sy ny tanjona manokana isian'ny fanomezam-pahasoavan'ny faminaniana?

Nataohampiorenana sy hampirisihana ary hitondrana fampiononana ny fanomezam-pahasoavan'ny faminaniana (1 Kor. 14:3; ampitahao amin'ny Asa. 15:32). Toa milaza izany fa ny faminaniana dia tsy fampahafantarana ny hoavy loatra fa mahakasika kokoa ny fomba tokony hiainana ny ankehitriny. Ny matoanteny grika propheteuō dia mety hidika hoe "milaza zavatra mialoha" na "milaza zavatra amin'ny anaran'ny olona iray." lo heviny voalohany io, ohatra, dia hita ao amin'ny Asa 2:29-31 (ampitahao amin'ny Amô. 3:7), izay anazavana ny fiantsoana an'i Davida ho mpaminany amin'ny heviny hoe "mahita mialoha." Ny heviny faharoa kosa dia hita ao amin'ny Asa. 15:32, izay anondroana an'i Joda sy i Silasy ho mpaminany. Ny "faminanian’izy ireo indray dia ny fampirisihany sy ny fampaherezany "ny rahalahy tamin'ny teny maro."

lanarantsika ao amin'ny Efes. 4:11-13 fa tsy nifarana teo amin'ny vanim-potoana niainan'ireo apostoly ny fanomezam-pahasoavana. Tokony hisy mandra-pahatongan'ny farany izany (Asa 2:39). Eo anatrehan'izany anefa, raha misy olona mitonona ho mpaminany, dia tsy maintsy tombanana araka ny Soratra Masina izy. Fitsipika efatra ankapobeny no tokony harahiny. 

Voalohany, tanteraka ny faminaniana ambarany (Deo. 18:22; Jer. 28:8, 9).

Faharoa, mifanaraka amin'ny fanambaran'ireo mpaminany talohany ny hafatra entiny (Deo. 13:1-3; Isa. 8:20).

Fahatelo, hita taratra eo amin'ny fiainany andavanandro ny fanolorany tena ho an'i Kristy (1 Jao. 4:1-3).

Fahefatra, nambaran'i Jesôsy fa ny voany no hahafantarana ny mpaminany sandoka (Mat. 7:15-20). Tahaka izany koa ho an'ny mpaminany marina.

Voalazan'ny bokin'ny Apôkalypsy fa toetra manokana mampiavaka ny fiangonana sisa ny fanomezam-pahasoavan'ny faminaniana (Apôk. 12:17; Apôk. 19:10). Amin'ny maha Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito antsika dia mino isika fa nomen'Andriamanitra an'i Ellen G. White io fanomezam-pahasoavana io ary hita taratra ao amin'ny asasorany izany.

Inona avy ireo antony rehetra ahafahantsika mino fa manana ny fanomezam-pahasoavan'ny faminaniana i Ellen G. White? Inona kosa ireo fisalasalana mbola mipetraka mahakasika ny anjara asany sy ny fahefana ananany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (35)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal