Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny fitenenana amin’ny fiteny samihafa.

Daty
Alarobia 05 August 2026

Ny fanomezampahasoavan’ny fitenenana amin’ny fiteny samihafa.

Ahoana kosa ny amin'ny fanomezam-pahasoavan'ny fitenena amin'ny fiteny samihafa? Araka ny fanehoana io fanomezam-pahasoavana io any amin'ny toeran-kafa ao amin'ny Baiboly (Mar. 16:17; Asa. 2:1-13; Asa. 10:44-48; Asa. 19:6), ny fanomezam-pahasoavan'ny fitenenana amin'ny fiteny samihafa ao amin'ny 1 Kor. dia azo heverina fa fahaiza-manao omen'ny Fanahy Masina ahafahana miteny vahiny.

Tanisain'i Paoly ao anatin'ireo fanomezam-pahasoavana ao amin'ny 1 Kor. 12:8-10 ny fitenenana amin'ny fiteny samihafa (jereo koa ny 1 Kor. 12:28, 30; 1 Kor. 13:1, 8). Na izany aza, dia resahiny matetika kokoa izany ao amin'ny 1 Kor. 14. Mihoatra ny in-20 no amerimberenany ny teny grika hoe glōssa ("lela" na "fiteny") ao amin'ny 1 Kor. 12-14, ary in-15 no ahitana izany ao amin'ny 1 Kor. 14. Ankoatra izany, ny teny grika heteroglossos ("fiteny hafa") dia hita koa ao amin'ny 1 Kor. 14:21. Izany famerimberenana momba ny fanomezam-pahasoavan'ny fitenenana amin'ny fiteny samihafa izany dia maneho fa manan-danja manokana ho an'i Paoly io lohahevitra io. Ny fampiasan'ny fiangonana tany Korinto io fanomezam-pahasoavana io, fampiasana izay tsy araka ny tokony ho izy sy ny fanararaotana izany, no niteraka fikorontanana sy fisafotofotoana nandritra ny fanompoam-pivavahana nahavory ny rehetra (1 Kor. 14:23, 27, 33, 40).

Vakio ny 1 Kor. 14:5, 13, 26, 24 sy ny 1 Kor. 12:10, 30. Inona ny torolalana manokana nomen'i Paoly mahakasika ny fanomezam-pahasoavan'ny fitenenana amin'ny fiteny samihafa?

Tokony hiara-dalana amin'ny fandikan-teny ny fanomezam-pahasoavan'ny fitenenana amin'ny fiteny samihafa mba hahatakaran'ny mpihaino izay lazaina (1 Kor. 14:9), raha tsy izany dia tsy mahasoa na inona na inona ny fampiasana izany fanomezam-pahasoavana izany (1 Kor. 14:6). Izany no antony anasongadinan'i Paoly fatratra ny fandikan-teny sy ny fahatakarana. Mazava loatra fa tsy ny fanomezam-pahasoavan'ny fiteny tsy fantatra no tsinian'i Paoly, fa ny fanindrahindran'ireo Korintianina io fanomezam-pahasoavana io, izay nitarika azy ireo hanao tsinontsinona ny fanomezam-pahasoavan'ny faminaniana (ho hitantsika rahampitso ny amin'izany).

Araka izany, zava-dehibe ny manamarika fa na dia tian'i Paoly aza ny hahaizan'ireo Korintianina rehetra miteny amin'ny fiteny vahiny (1 Kor. 14:5), dia tsy izany no niriny ho tanteraka (1 Kor. 12:10). Araka izany, "fandikana vilana ny fampianaran'i Paoly ao amin'ny 1 Kor. 12 sy 14 ny fieritreretana fa ny olona rehetra no tokony hiteny amin'ny fiteny tsy fantatra mialoha ny hangatahana ny batisan'ny Fanahy Masina."- Raoul Dederen, Handbook of Seventh-day Adventist Theology, electronic ed., vol. 12 of Commentary Reference Series (Hagerstown, MD: Review and Herald Publishing Association, 2001), t. 620.

Misy olona mahay tenim-pirenena hafa ve ao am-piangonanao? Ahoana no ahafahan'izy ireo mampiasa izany talenta izany hanatrarana ny hafa ho an'i Kristy? Ahoana no anampian'izany antsika hahatakatra ny tena toetry ny fiteny samihafa resahin'i Paoly?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1:
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1:
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1:
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1:
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1:
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1:
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1:

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (42)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal