Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Fampidirana

Daty
Sabotsy 08 November 2025

Hodinihina mandritra ny herinandro: Jos. 5:1-7; Eks. 12:6; 1 Kor. 5:7; Jos. 8:30-35; Deo. 8:11, 14; Heb. 9:11,12.

Tsianjery:

"Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany." - Mat. 6:33

Amin'ity herinandro ity isika dia hijery ireo fotoana vitsivitsy nanan-danja nandritra ny fitoeran'ny Isiraely tao amin'ilay Tany Nampanantenaina, rehefa nanavao ny fanoloran-tenany ho an'i Jehôvah izy ireo, indraindray teo anatrehan'ny loza izay nananontanona azy. Toa manohitra ny lojika ny fahitana ny fanapahan-kevitr'i Josoa raha namora ireo Isiraelita teo amin'ny faritanin'ny fahavalo izy (Jos. 5:1-9), sy nankalaza ny Paska teo anoloan'ny loza efa nananontanona (Jos. 5:10-12), nanorina alitara sy niankohoka tamin'i Jehôvah raha mbola tao anatin'ny ady hakana ny tany (Jos. 8:30-35) ary nanorina ny tabernakelin'i Jehôvah raha tsy mbola nahazo ny lovany akory ireo foko fiton'ny Isiraely (Jos. 18:1,2).

Ao anatin'ny rotorotom-piainana, dia manana fironana isika hifantoka amin'ireo fahamehana atoraky ny fiainana amintsika. Matetika loatra isika no manao tsirambina ny fanokanana fotoana hanavaozana ny fanoloran-tenantsika ho an'Andriamanitra sy hiatoana kely mba haneho ny fankasitrahantsika Azy noho izay efa nataony sy mbola ataony ho antsika isan'andro. Toy ny lany andro ny fahitana ny fanompoam-pivavahana marain-tsy hariva, sy ny alitaram-pianakaviana, ao anatin'ny fiainantsika mirotoroto sy mifantoka amin'ny fikatsahana fiadanana sy ny fiezahana hahomby. Kanefa ao am-pontsika lalina ao, dia fantatsika rehetra fa ny fotoana atokana iarahana amin'Andriamanitra sy ireo olon-tiantsika no fampiasana tsara indrindra ny fotoantsika izay voafetra ihany

*Famerenana ny lesona ny sabata 15 Novambra.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana
Sun 07 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fanoloran-tena
Mon 08 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fiampangana
Tue 09 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Mbola mibahana ao an-tsaina ny lasa
Wed 10 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famaliana Mora
Thu 11 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famahana ny fifandirana
Fri 12 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fianarana fanampiny
Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal