Hodinihina mandritra ny herinandro: Jos. 5:1-7; Eks. 12:6; 1 Kor. 5:7; Jos. 8:30-35; Deo. 8:11, 14; Heb. 9:11,12.
Tsianjery:
"Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany." - Mat. 6:33
Amin'ity herinandro ity isika dia hijery ireo fotoana vitsivitsy nanan-danja nandritra ny fitoeran'ny Isiraely tao amin'ilay Tany Nampanantenaina, rehefa nanavao ny fanoloran-tenany ho an'i Jehôvah izy ireo, indraindray teo anatrehan'ny loza izay nananontanona azy. Toa manohitra ny lojika ny fahitana ny fanapahan-kevitr'i Josoa raha namora ireo Isiraelita teo amin'ny faritanin'ny fahavalo izy (Jos. 5:1-9), sy nankalaza ny Paska teo anoloan'ny loza efa nananontanona (Jos. 5:10-12), nanorina alitara sy niankohoka tamin'i Jehôvah raha mbola tao anatin'ny ady hakana ny tany (Jos. 8:30-35) ary nanorina ny tabernakelin'i Jehôvah raha tsy mbola nahazo ny lovany akory ireo foko fiton'ny Isiraely (Jos. 18:1,2).
Ao anatin'ny rotorotom-piainana, dia manana fironana isika hifantoka amin'ireo fahamehana atoraky ny fiainana amintsika. Matetika loatra isika no manao tsirambina ny fanokanana fotoana hanavaozana ny fanoloran-tenantsika ho an'Andriamanitra sy hiatoana kely mba haneho ny fankasitrahantsika Azy noho izay efa nataony sy mbola ataony ho antsika isan'andro. Toy ny lany andro ny fahitana ny fanompoam-pivavahana marain-tsy hariva, sy ny alitaram-pianakaviana, ao anatin'ny fiainantsika mirotoroto sy mifantoka amin'ny fikatsahana fiadanana sy ny fiezahana hahomby. Kanefa ao am-pontsika lalina ao, dia fantatsika rehetra fa ny fotoana atokana iarahana amin'Andriamanitra sy ireo olon-tiantsika no fampiasana tsara indrindra ny fotoantsika izay voafetra ihany
*Famerenana ny lesona ny sabata 15 Novambra.