MANIRY FATRATRA NY FANATREHAN'ANDRIAMANITRA
Vakio ny Jos. 18:1,2. Inona ny zavatra natao Izay nahatonga an'l Josoa namplato ny fizarana ny tany?
Aorian'ny filazalazana momba ny fizarana ireo tany tamin'ireo foko roa lehibe indrindra teo amin'ny faritra andrefan'i Jordana sy ny antsasaky ny fokon'i Manase no itantaran'ity lahatsoratra ity ny fivoriana tany Silo, izay nizarana ny tany tamin'ireo foko fito madinika kokoa.
Ny fanorenana ny fitoerana masina, ny "tabernakeliko" dia maneho nпу fahatanterahan'ny teny fikasan'Andriamanitra momba ny fonenany eo anivon'ny vahoakany (Eks. 25:8; Lev. 26:11,12) ary mampiseho koa ny lohahevitra fototry ny bokin'i Josoa izany: ny fanatrehan'Andriamanitra teo anivon'ny Isiraely no nahatanteraka ny fahazoana ny tany sy mbola ho loharanom-pitahiana ho an'ny Isiraely ary hitahiana ny tany manontolo amin'ny alalan'izy ireo (Gen. 12:3). Mitana ny toerana lehibe sy manan-danja indrindra ny fiankohofana amin'Andriamanitra, eny lehibe mihoatra noho ny fakana ny tany sy ny fizarana izany aza! Tokony nanampy ny olona hahatsapa ny fanatrehan'Andriamanitra teo anivon'izy ireo sy ny andraikiny amin'ny fandehanana araka ny fanekena ny fisian'ny tabernakely teo aminy, sy ny tempoly taty aoriana kely.
Vakio ny Heb. 6:19,20 sy ny Heb. 9:11,12 ary ny Heb. 10:19-23. Inona ny lesona azontsika ianarana avy amin'i Josoa, isika izay Kristianina tsy manana tabernakely ety an-tany izay manome antoka ny amin'ny fanatrehan Andriamanitra mivantana eo anivontsika?
Tsy tokony hahagaga antsika raha resahina ny momba ny tabernakely satria ny lohahevitra momba izany dia efa hita ao amin'ny bokin'i Josoa, amin'ny alalan'ny fiaran'ny fanekena. lo fiaran'ny fanekena io no fanaka nanan-danja indrindra tao amin'ny efitra masina indrindra, ary izany no nanamarika ireo fizarana roa voalohany ao amin'ny bokin'i Josoa: ny fiampitana ny onin'i Jordana sy ny fakana ny tany Kanana. Rehefa nametraka ny fanorenana ny tabernakely ho fotoana manan-danja tao anatin'ny fizarana ny tany i Josoa, dia nampiseho tamin'izany fa manodidina ny fitoerana masina, ilay foiben'i Yahweh teto an-tany, ny fiainana manontolon'ny Isiraely.
Zava-dehibe kokoa ho antsika Kristianina izay velona ao anatin'ny Andro Fanavotana tena izy ny mifantoka amin'ilay fitoerana masina any an-danitra raha eo am-piatrehana ny adintsika amin'ireo olona goavam-be moderina izay mihaika ny finoantsika sy ny fanantenantsika ary ny lovantsika ara-panahy isika. Raha miantehitra mandrakariva amin'ny asan'i Kristy izay tanterany teo amin'ny hazo fijaliana sy ataony ao amin'ny fitoerana masina any an-danitra isika, dia afaka miandrandra amim-pinoana ny fotoana izay hitoeran'Andriamanitra indray eo anivon'ny vahoakany; ho mandrakizay kosa izany amin'izay fotoana izay (jereo ny Apôk. 21:3).