Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Nosoratana teo amin’ny vato.

Daty
Alarobia 12 November 2025

NOSORATANA TEO AMIN'NY VATO

Vakio ny Jos. 8:32-35. Inona no hevitry ny zavatra natao izay voalazalaza ao amin'ireo andininy ireo, ary inona no tian'izany hambara amintsika amin'izao andro izao?

Ao amin'ny bokin'ny Deoteronomia (Deo. 11:29; Deo. 27:4,13) sy ny bokin'i Josoa (Jos. 8:30,33) ihany no iresahana momba ny tendrombohitra Ebala. Teo amin'io tendrombohitra io sy teo amin'ny tendrombohitra Gerizima no nasaina nanononana ny tso-drano sy ny fanozonana tao amin'ny fanekena. Raha ny marimarina kokoa, dia io tendrombohitra Ebala io no toerana nanononana ireo fanozonana, araka izay voalazan'ny Deo. 11:29 sy ny Deo. 27:4,13. Nasaina nitsangana teo andaniny roa amin'ny fiaran'ny fanekena ny Isiraelita, teo anatrehan'ireo mpisorona (Jos. 8:33). Ny sokajin'olona iray nitsangana nanandrify ny tendrombohitra Ebala, ary ny ankilany kosa nanandrify ny tendrombohitra Gerizima. Naneho ny fomba roa mety hifandraisana amin'ny fanekena izany toerana nisy azy ireo izany. Ny fanatitra nentin'izy ireo indray dia nanondro an'i Jesosy izay nitondra ny ozona rehetra ao amin'ny fanekena mba hahatonga izay rehetra mino Azy hahazo ny fitahiana ao amin'izany (Gal. 3:13; 2 Kor. 5:21).

Nahoana no nilaina ny nanao dika mitovy amin'ny fanekena teo amin'ny tsangambato iray izay azon'ny rehetra novakina? (Jereo ny Deo. 4:31; Deo. 6:12; Deo. 8:11,14; 2 Mpanj. 17:38; Sal. 78:7).

Manana fironana hanadino isika olombelona. Mihafohy hatrany ny ampaham-potoana anaovantsika ireo zava-takin'ny fiainana izay mihasarotra hatrany. Manjary tsy azo sorohina ny fanadinoantsika ireo zavatra tsy atao matetika na koa tsy dia manan-danja loatra. Ny fanompoam-pivavahana rehetra andraisana ny fanasan'ny Tompo dia tombontsoa manokana ho antsika hahafahana manolo-tena indray ho an'ny Tompo sy manavao ny fahatokiantsika amin'ny fanekena. Mahasoa ny mandray ireny fotoana manokana ireny ho tombontsoa hanavaozan'ny tsirairay ny fanoloran-tenany ary koa hanavaozan'ny besinimaro ny tokim-panoavany an'Andriamanitra. Monina ao anatin'ny fiaraha-monina mihamandrisika ny olona hizaka tena sy hifantoka amin'ny fampandrosoana ny tenany manokana isika ka tsy maintsy mianatra mamantatra indray ny lanjan'ny maha-ao anaty vondrona iray izay manana fomba fijery an'izao tontolo izao mitovy amin'ny antsika, manana ny soatoavina sy ny finoana mitovy amin'ny antsika, ary manana iraka mitovy amin'izay nomena antsika.

Ao anatin'ny hazakazaka sy ny firotorotoan'ny fiainana, mora ve ny manadino an'Andriamanitra sy ny miezaka manao zavatra amin'ny herin'ny tenanao sy ny fahaizanao manokana? Nahoana no mora tokoa ny manao izany, indrindra rehefa mizotra tsara ny flainantsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.
Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal