Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Ny fanekena aloha.

Daty
Alahady 09 November 2025

NY FANEKENA ALOHA

Vakio ny Jos. 5:1-7. Nahoana Jehôvah no nandidy an'i Josoa mba hamora ny taranaka faharoa tamin'ny Isiraelita tamin'io fotoana manakana teo amin'ny ady ho fakana ny tany Kanana io?

Taorian'ny fisafoana ilay tany sy ny tatitra mampahery nentin' ireo mpisafo tany ary ny fiampitana an'i Jordana tamin'ny fomba mahagaga, dia fifanandrinana mivantana amin'ny fahavalo no mety andrasantsika. Kanefa misy zava-manan-danja kokoa noho ny ady ataon'ny tafika: ny fanekena ataon'ny Isiraely amin'Andriamanitra.

Mialoha ny hirosoan'ilay taranaka vaovao haka ny tany, dia nilain'izy ireo ny hahatakatra amin'ny fahafenoany ny fifandraisany manokana amin'ilay Tompon'ny tany. Ny fanavaozana ny famantarana ny fanekena no valin'ny fahasoavan' Andriamanitra sy ny fahagagana nataony tamin'ny nitondrany ny Isiraely niampita an'i Jordana sy ny nahatafitan'izy ireo izany.

Ny fanekena ataontsika amin'Andriamanitra dia tokony ho valinteny feno fankasitrahana mandrakariva noho izay efa nataony ho antsika, fa tsy fikendrena hahazo tombontsoa amin'ny alalan'ny fanarahana ny fitakiany sy ny fitsipiny. (Tsy isalasalana fa nanan-danja tokoa izany hevitra izany tao anatin'ny fifandiran'i Paoly tamin'ireo nisisika ny hamorana ny Jentilisa niova fo, araka izay hita mazava ao amin'ny epistiliny ho an'ny Galatianina).

Efa hiditra eo amin'ny ady ara-tafika lehibe indrindra teo amin'ny tantarany izao ny Isiraely ka mety hihevitra isika fa somebiseby amin'ny fanomanana ny ady ny toby iray manontolo. Niomana tokoa izy ireo, saingy tsy araka izay fanaon'ny rehetra izany. Tsy namehy ny soavaly tamin'ny kalesiny izy na koa nandranitra ny sabany, fa nanao fombafomba izay nahatonga ny ankamaroan'ny tafika harefo tao anatin'ny telo andro farafahakeliny.

Nanao izany izy ireo mba hankalazany ny fifandraisany tamin'ilay Andriamaniny izay nanafaka azy avy tany Egypta. Nahoana? Satria fantany fa an'i Jehovah ny ady; Izy no manome azy ireo fandresena sy fahombiazana. Nanambara izany foto-kevitra izany tamin'ny fomba somary hafa kokoa i Jesôsy : "Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany." - Mat. 6:33. Saika amin'ny fotoana rehetra no toa aneren'ny fiainana andavanandro antsika hanenjika ireo zava-manan-danja maro tokony hatao, hany ka manjary hadinontsika ny manome lanja ny zava-dehibe indrindra eo amin'ny fiainantsika: ny fanavaozana isan'andro ny fanolorantsika tena ho an'i Kristy.

Eritrereto ireo fotoana maro nanaovanao tsirambina ny fotoana iarahana amin'Andriamanitra noho ny amin'ny zavatra izay "manan-danja" kokoa. Nahoana no mora tokoa ny manao izany, ary ahoana no hiadiantsika amin'izany? Isan'andro ny fanolorantsika tena ho an'i Kristy.

Eritrereto ireo fotoana maro nanaovanao tsirambina ny fotoana iarahana amin'Andriamanitra noho ny amin'ny zavatra izay "manan-danja" kokoa. Nahoana no mora tokoa ny manao izany, ary ahoana no hiadiantsika amin'izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.
Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal