Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fampidirana

Daty
Sabotsy 10 May 2025

Hodinihina mandritra ny herinandro: Isa. 6:6-8; Gen. 3:21-24; Ezek. 1:4-14; Apôk. 4:1-11; Nom. 2:3-25; Isa. 14:12-14.

Tsianjery:

"Ary nandre ny feon'ny Tompo aho nanao hoe: Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho irakay? Dia hoy izaho: Inty aho, iraho aho." - Isa. 6:8

Miorina eo amin'ny toerana maha-Mpahary ny zavatra rehetra an' Andriamanitra sy eo amin'ny Toetrany ny zony hanapaka an'izao rehetra izao (Apôk. 4:11). Rehefa tonga amin'ny fahafantarana ny toetra marin'Andriamanitra isika vao manomboka mahatakatra ny fomba sy ny antony tsy hahatraran'ny olombelona mpanota ny voninahitr'Andriamanitra (Rôm. 3:23).

Hijery bebe kokoa mikasika ny fahitana momba ny seza fiandrianan' Andriamanitra isika amin'ity herinandro ity; hodinihintsika koa ny fomba ifandraisan'ny olombelona amin'ilay Andriamanitra masina sy ny fomba amerenan'ny sorona nataon'i Kristy antsika amin'ny laoniny sy ampanakaikezany antsika amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra. Drafitr'Andriamanitra ny hamerina antsika amin'ny laoniny, tsy ny tsirairay avy amintsika fotsiny fa isika taranak'olombelona manontolo, mba hanehoantsika indray ny Voninahiny amin'ny voary rehetra. Amin'ny fandalinana ny Baiboly ihany no hahitantsika ireo teboka manan-danja izay manampy antsika hahatakatra sy hanomboka hankamamy ny fiantsoana ambony niantsoan'Andriamanitra antsika, taranaka mpanota voavela heloka sy voavotra.

Hofaranana ary tsy hisy intsony mandrakizay ny fikomian'ny olombelona. Ary mihoatra noho izany, dia hamirapiratra bebe kokoa noho ny famirapiratany araka ny fikasany ho an'ny olombelona tany am-piandohana ny toetran'Andriamanitra be fitiavana sy ny fandavan-tenany ary ny fahafoizan-tenany. Na dia tsy tao anatin'ny fikasan'Andriamanitra aza ny hahalavo ny olombelona, dia nasongadina tamin'ny fomba miavaka tamin'ny alalan'ny hazo fijaliana ny toetran'Andriamanitra be fitiavana.

*Famerenana ny lesona ny sabata 17 Mey.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal