Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.

Daty
Alakamisy 14 August 2025

MOFON'AINA SY RANON'AINA

Vakio ny 1 Kôr.10:11. Inona, araka ny voalazan'l Paoly, ny antony niraketana an-tsoratra Ireny tranga ireny?

Manazava i Paoly fa ohatra sy fampitandremana ho an'ny mpanara-dia an'i Kristy ny zava-nitranga rehetra tamin'ny Isiraelita, ary hanampy azy ireo tsy ho tratry ny olana efa nahavoa azy ireo; izany hoe, haka lesona avy amin'ny oha-piainany izy ireo. Toromarika manan-danja ho antsika izany, dia isika "Izay niharan'ny faran'izao tontolo izao". Omen'Andriamanitra ny vahoakany ny Fanahy Masina mba hanatanjahana ny mpino amin'ny "fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena" 2 Tim. 1:6,7, mba hahaizan'izy ireo mandray fanapahan-kevitra tsara sy manaraka ny fampianarany. I Jesôsy Kristy no Loharanon'ny fiainana vaovao (Jao 14:6), ary Izy irery ihany no mahay manova antsika "ho fanatitra velona, masina, sitrak'Andriamanitra (...). Ary aza manaraka ny fanaon'izao tontolo izao; fa miovà amin'ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon'Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina." - Rôm. 12:1,2.

Naka fampianarana avy amin'ireo fitantarana ireo i Jesôsy taty aoriana, mikasika ny mana sy ny rano manokana, ka nataony sary an'ohatra ireo nampianarana fahamarinana momba ny Tenany, Izay nitarika azy ireo namakivaky ny tany efitra.

Vakio ny Jao. 4:7-15 sy ny Jao. 6:31-51. Inona avy ireo fahamarinana ambara amintsika eto, amin'ny maha-Kristianina antsika?

Hitan'ilay vehivavy Samaritana fa fanomezana izay tsy ho azony velively any an-kafa no natolotr'i Kristy azy. Avy amin'Andriamanitra ny hetaheta ao anaty, te hahazo fiadanana sy fifaliana ary fahasambarana; noho izany, Andriamanitra irery ihany no mahay manome fahafaham-po ny amin'izany (Sal. 42:1,2).

Nanazava i Jesôsy, momba ny mana, fa Andriamanitra no nanome izany ho an'ny olona, fa tsy i Mosesy tsy akory. Ary nilaza i Jesôsy hoe: "Izaho no mofon'aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana" - Jao. 6:35. Naverin'i Jesosy intelo fa Izy no Mofon'aina (Jao. 6:35,41,48).

Tahaka ny mana tany an'efitra, izay "mofo avy tany an-danitra" (Jao. 6:31,32), dia toy izany koa ny rano avy tamin'ny vatolampy; fanomezan'i Kristy hahafa-po ny hetahetan'izy ireo izany. Ankoatra ireo lafiny ara-nofo ireo, ny mofo sy ny rano dia misy heviny ara-panahy koa, satria i Jesôsy Kristy no "mofon'aina" (Jao. 6:35,48) sy "rano velona" (Jao. 4:10,11,14; Jao. 7:37,38). Ao Aminy irery ihany, noho izany, no tena ahazoantsika izay ilaintsika, hahafaka marina ny hetaheta sy ny hanoanantsika ara-panahy.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal