Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.

Daty
Alatsinainy 11 August 2025

NY PAPELIKA SY NY MANA

Indrisy, hita miverimberina manerana ny tantaran'ny dian'ny zanak'Isiraely ny fikomiana. Mazava fa hadinon'ny olona ny namonjen'ny tana-maherin'Andriamanitra azy ireo tamin'ny lasa, sy ny namahany ny olany. Navelany hanajamba ny tenany tsy hahita ny tanjona farany sy ny hoavy mahafinaritra nampanantenaina azy ny olana nahazo azy ireo. Mateti-pitranga izany na dia eo amin'ny vahoakan' Andriamanitra ankehitriny aza.

Vakio ny Eks. 16:1-36. Inona no tsy nahafaly ny Isiraelita, ary inona no nitranga taorian'izany?

Zava-dehibe ny manamarika fa mifandray amin'ny sakafo matetika ny fakam-panahy ao amin'ny Baiboly. Tao amin'ny Saha Edena, ny Fahalavoana dia nifandray tamin'ny fihinanana ny voan'ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, izay voarara (Gen. 2:16,17; Gen. 3:1-6). Rehefa nalaim-panahy tany an'efitra i Jesosy, dia momba ny sakafo ny famelezana voalohany nataon'i Satana taminy (Mat. 4:3). Very ny fizokian'i Esao noho ny fitiavan-komana tsy voafehy (Gen. 25:29-34). Impiry moa ny tsy fankatoavan'ny Isiraely no nifandray tamin'ny sakafo sy ny zava-pisotro! Tsy mahagaga raha nampahatsiahy ny taranaka taty aoriana i Mosesy hoe: "Tsy mofo ihany no iveloman'ny olona; fa izay rehetra aloaky ny vavan'i Jehôvah no iveloman'ny olona." - Deo. 8:3.

Mazava loatra fa ny mana dia mofo avy any an-danitra, izay nomen Andriamanitra ny Isiraelita nandritra ny 40 taona nirenireneny tany an'efitra. Tamin'ny alalan'io fanomezana io no nampianaran'ny Tompo azy ireo fa Izy no Mpamorona sy Mpanome ny zavatra rehetra. Nentin'Andriamanitra nanehoana ny fomba fitandremana ny Sabata andro fahafito koa ny fidirany an-tsehatra tamin'ny fandrotsahana ny mana tamin'ny fomba mahagaga.

Nisy fahagagana efatra nitranga isan-kerinandro: (1) nanome anjara mana sahaza hohanin'ny olona isan'andro Andriamanitra nandritra ny dimy andro, (2) avo roa heny no nomeny isaky ny zoma; (3) tsy simba ny mana izay notehirizina ny zoma alina ka hatramin'ny Sabata maraina; ary (4) tsy nisy mana nilatsaka tamin'ny andro Sabata. Nataon'Andriamanitra tsy tapaka ireo fahagagana ireo mba hahatsiarovan'ny olona ny andro Sabata sy hankalazany ny fahatsaran Andriamanitra rehefa tonga io andro io. Hoy Andriamanitra: "Saino fa Jehôvah no nanome anareo ny Sabata." - Eks. 16:29.

Tia mihinan-kanina ny olona. Noforonina isika mba ho tia izany. Ny sakafo manana amby ampy nataon'Andriamanitra maniry sy mandrobona amin'ny tany (izay sakafontsika hatrany am-piandohana) dia tsy vitan'ny mampiseho fa tian’Andriamanitra hihinana isika, fa natao ho tia izay hohanintsika koa isika. Nanjary nanaram-po tafahoatra tamin'ity fanomezana mahafinaritra ity anefa ny olona, dia ny sakafo (sy ny fitiavana azy); ami n'ny fomba ahoana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal