Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.

Daty
Talata 12 August 2025

RANO AVY AMIN'NY VATOLAMPY

Ilana rano betsaka tokoa any amin'ny tany efitra. Namaha io olana io Andriamanitra, na dia be monomonona aza ny vahoaka ka tsy natoky Azy sy naka fanahy Azy mihitsy mba hahitany raha mahay sy vonona tokoa Andriamanitra hanome rano azy ireo. Nanembona an'i Egypta izy ireo tao anatin'ny tsy finoany.

Vakio ny Eks. 17:1-7. Inona no lesona tokony ho noraisin'ny olona tamin'ity tranga ity?

Nantsoin'i Mosesy hoe Masa, izay midika hoe "fakam-panahy", sy Meriba, izay midika hoe "ady" ilay toerana. Nanome rano ho an'ny Isiraelita ny Tompo na dia tsy nino aza izy ireo. Tokony ho nampahatsiahy ny Isiraelita ireo anarana roa ireo mba tsy haka fanahy an'Andriamanitra na hiady Aminy (Heb. 3:7,8,15). Nisalasala ny amin'ny fanatrehan'Andriamanitra tokoa izy ireo, na dia efa nahita porofo mivaingana maro momba ny fanatrehany sy ny heriny ary ny fahefany aza.

"Mosesy tokoa no nikapoka ny vatolampy. Fa ny Zanak'Andriamanitra izay nitsangana teo anilany no nampiboiboika ny rano velona, saingy tsy hita fa takon'ny andri-rahona. Niara-nibanjina ny voninahitr'Andriamanitra teny lavidavitra teny i Mosesy sy ny loholona ary ny fiangonana manontolo, ary nanaiky fa raha tsy teo ny andri-rahona, dia ho faty izy tamin'ny firefotry ny famirapiratan'Ilay miafina ao anatiny." - PM, t. 282, ed 2014 (np).

Tandindon'ny fiainana ny rano satria, raha tsy misy rano, dia tsy misy fiainana. Mila rano ny sela rehetra ao amin'ny vatantsika. 60 isan-jaton'ny tenantsika no rano. Na ao amin'ny taolantsika aza dia misy rano. Araka izany, ny fanomezana rano ho an'ny Isiraelita tany an'efitra dia famantarana ho azy ireo fa miahy sy mihevitra izay ilainy Andriamanitra, ary azon'izy ireo nitokiana Izy. Kanefa eto indray, tsy maintsy nankato izy ireo.

Taonjato maro tatý aoriana dia mampahatsiahy ny mpino i Paoly, ao amin'ny 1 Kôr. 10:4, fa miavaka tokoa ny fanandramana niainan'ny Isiraelita tany an'efitra. I Kristy mihitsy no tsy vitan'ny hoe nitarika azy ireo, fa nanome azy rano koa (Sal. 78:15,16), sy nanome izay nilainy hafa, na ara-panahy na ara-batana. Hoy i Paoly: "Kristy izany vatolampy izany". Ho azy ireo, Loharanon'ny fiainana sy Mpanome fiainana mandrakizay i Kristy. Toy ny vatolampy miorina mafy, dia toy izany koa ny fitarihan'Andriamanitra ny vahoakany. Azo ianteherana Izy satria mitana ny teny fikasany mandrakariva.

Amin'inona avy no ilanao fitokiana amin'Andriamanitra ankehitriny? Ahoana no hianaranao milefitra amin'ny sitrapony sy miandry Azy hiditra an-tsehatra amin'ny fotoany? Nahoana no tsy mora mandrakariva ny manao izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 19 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fitaovampiadiana mahery vaika indrindra.
Mon 20 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny soratra masina, fahefana.
Tue 21 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fahamarinana ara-baiboly.
Wed 22 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fitakian’ny Baiboly.
Thu 23 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny toe-po.
Fri 24 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal