Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 7: NY OLAN’NY FAHARATSIANA - Mananany antony izay tsy fantatsika Andriamanitra.

Daty
Talata 11 February 2025

Hoy Andriamanitra ao amin'ny Isa. 55:8,9: "Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo, ary ny làlanareo kosa tsy mba lalako, hoy Jehôvah , Fa tahaka ny hahavon'ny lanitra noho ny tany no hahavon'ny làlako noho ny làlanareo sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo."

Ambony lavitra noho ny antsika ny fisainan'Andriamanitra. Tsy takatry ny saintsika ny hasarotry ny drafitr’Andriamanitra ho an'ny tantara. Eo anatrehan'izany, nahoana moa isika no tokony hanantena fa afaka hahafantatra marina ny anton'ny zavatra ataon'Andriamanitra na tsy ataony amin'ny toe-javatra samihafa?

Fomba iray azo anazavana ny olan'ny faharatsiana, mifototra amin'ny fanekentsika ny hakelin'ny fahalalantsika, ilay antsoina hoe "théisme sceptique". Ny "théiste sceptique" dia ireo izay mino fa manana antony marim- pototra hanaovana zavatra iray Andriamanitra, kanefa noho ny fahalalantsika voafetra, dia tsy tokony hanantena ho afaka hahafantatra ireo antony ireo isika. Mampisalasala ny "théiste sceptique" ny fahafahan'ny olombelona mahafantatra na mahatakatra tanteraka ny fihevitr'Andriamanitra momba ny faharatsiana eto amin'izao tontolo izao. Tsy hitantsika maso, ohatra, ny mikraoba mitsingevana eny amin'ny rivotra manodidina antsika, kanefa tsy midika izany fa tsy misy izy ireny. Koa ny tsy fahafantarantsika ny fihevitr' Andriamanitra dia tsy midika tsy akory fa tsy manana antony tsara hanaovany zavatra Andriamanitra.

Vakio ny Sal. 73. Ahoana no anazavan'ny mpanao salamo ny faharatsiana sy ny tsy rariny nanodidina azy? Inona no hitany ka nahatonga azy hanana fomba fijery hafa ?

Nahavery hevitra ny mpanao salamo tokoa ny faharatsiana eo amin'izao tontolo izao. Nijery manodidina azy izy ka nahita ny ratsy fanahy ambinina. Toa tsy ara-drariny ny zava-drehetra. Tsy hainy hazavaina izany. Nanontany tena aza izy raha mety ihany ny mbola hinoana sy hanompoana an'Andriamanitra, mandra-pitodiny ka nijereny ny fitoerana masina.

Ny fitoerana masina no manome ny ampahany amin'ny vahaolana dia ny fahafantarana ny fisian'ny Mpitsara marina izay hampanjaka ny rariny sy hitondra fitsarana amin'ny fotoany.

Ny fahatakaran'ny Advantista ny momba ny fitsarana sy ny foto-pampianarana momba ny fitoerana masina dia azo anazavana ny olan'ny faharatsiana; amin'ny fomba ahoana? Manampy anao ve ny mahafantatra fa, na dia manana fanontaniana maro aza Isika ankehitriny, dia haharihary amin'ny farany ireo tsipirian'ny tantara sy ny fitsarana marin'Andriamanitra?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 19 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fitaovampiadiana mahery vaika indrindra.
Mon 20 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny soratra masina, fahefana.
Tue 21 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fahamarinana ara-baiboly.
Wed 22 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fitakian’ny Baiboly.
Thu 23 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny toe-po.
Fri 24 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal