Hodinihina mandritra ny herinandro: Heb. 9:11-15; Sal. 122; Sal. 15; Sal. 24; Eks. 33:18-23; Sal. 5; Sal. 51:7-15.
Tsianjery:
"Ary hitako fa, indro, ny Zanak'ondry nitsangana teo an-tendrombohitra Ziona, ary nisy efatra arivo amby efatra alina sy iray hetsy nomba Azy, samy manana ny anarany sy ny anaran'ny Rainy voasoratra eo amin'ny handriny." - Apôk. 14:1
Amin'ny maha-Advantista mitandrina ny andro fahafito antsika, dia mahazatra antsika ny mijery ireo sary an'ohatry ny Apokalipsy ao amin'ireo tantaran'ny Testamenta Taloha mba hanampy antsika hahatakatra ireo sary an'ohatra ireo. Tsy ireny tantara ireny ihany anefa no loharanon-kevitra tsara fa hita manerana ny Testamenta Taloha izany.
Boky iray manokana manan-karena loharanon-kevitra ny Salamo; amboaran-tononkalo masina izay mitantara fanandraman'ny olona marobe sy resaka ifanaovana amin'Andriamanitra izany- hita ao avokoa na ny famoizam-po noho ny fahotana sy ny fahoriana na ny fifaliana safononoka noho ny fanatrehan'Andriamanitra sy ny teny fikasana averimberiny momba ny famelan-keloka sy ny famonjena.
Raha mamaky tsara ny Salamo isika dia hahita tsipirian-javatra izay manome aina ny bokin'ny Apokalipsy, indrindra ny Apôk. 14, izay miresaka momba ny asa farany ataon'ny fiangonan'Andriamanitra sisa eto an-tany. Nomena iraka mitovy amin'ny Isíraely fahizay ny vahoakan'Andriamanitra amin'ny andro farany: asaina mijoro ho fahazavana ho an'ny firenen-drehetra isika, ho antsom-pamindrampo farany amin'ny olona rehetra mba hiankohofany sy hankatoavany ny Mpanao azy.
Hanome fomba vaovao hanampy antsika hahatakatra sy hankamamy ny anjara asantsika amin'ny vanim-potoana farany eo amin'ny tantaran'ny tany ireo tsipirian-javatra sasany hita ao amin'ny boky fihiran'Andriamanitra.
*Famerenana ny lesona ny sabata 24 Mey.