Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 1 - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 23 May 2025

"Mitondra antsika mamakivaky ireo lafiny rehetra eo amin'ny fiainam-pivavahana ny Salamo nataon'ny mpanjakan'ny Isiraely. Avy ao amin'ny lavaky ny fahadisoana fatratra sy ny fanenenana be no hitondrany antsika hiakatra hatrany amin'ny fara tampon'ny finoana madio indrindra sy ny firaisana amin'Andriamanitra. Eo an-daniny ny fiainan'i Davida mpanjaka, dia mampianatra antsika fa raha tsy mitondra afa-tsy fahoriana sy henatra ny fahotana, dia eo an-kilany kosa ny fitiavana sy ny famindrampon'Andriamanitra tafidina hatrany amin'ny lavaka mangitsokitsoky ny faharatsiana, mba hampakatra ny fanahy mibebaka avy any sy hamindra azy ho amin'ny toerana avo indrindra natokana ho an'ny olona marina. Anankiray amin'ny vavolombelona mahery indrindra mampiseho ny fahatokiana sy ny fahamarinana ary ny famindrampon'Andriamanitra nataon'ilay mpanjaka mpiandry ondry. (...)

"Eny, efa nianiana tamin'i Davida mpanompoko aho (...) Izy no homban'ny tänako; Eny, ny sandriko no hampahery azy. Ny fahamarinako sy ny famindrampoko homba azy (...) Ary ny anarako no hisandratan'ny tandrony, Dia hampitoetra ny tànany amin'ny ranomasina Aho Ary ny tànany ankavanana amin'ny ony.

Izy hiantso ahy hoe: Raiko Hianao, Andriamanitro sy Vatolampin'ny famonjena Ahy, Ary Izaho kosa hanao azy ho lahimatoa, ambony indrindra amin'ny mpanjakan'ny tany. Hitahiry ny famindrampoko ho Azy mandrakizay Aho, ary ny fanekeko hampaharetiko aminy Hampaharitra ny taranany ho mandrakizay Aho, ary ny seza fiandrianany ho tahaka ny faharetan'ny lanitra." - PM, tt. 753, 754.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Lehibe tokoa ny tsy fahombiazan'ny taranak'olombelona teo amin'ny fanajana ny anjara tandrify azy ao anatin'ny fanekena nifanaovany tamin'Andriamanitra. Na dia nanao fahadisoana lehibe aza i Davida, ilay lehilahy "araka ny fon'Andriamanitra" dia mbola nampiasaina ihany hampita ireo fahamarinana mahakasika ny famonjena antsika. Tamin'ny fomba ahoana no nanehoan'i Davida mialoha an'i Jesôsy, Ilay nitandrina ny faneken'Andriamanitra tamin'ny fomba tonga lafatra ho antsika? Izay nataon'i Jesôsy ho antsika no hany fanantenana ho antsika, nahoana?

2. Inona no andalan-teny ao amin'ny Salamo hitanao fa manampy na manan-danja lehibe noho ny fanehoany taratra ny fanandramana manokana nolalovanao?

3. Nahoana ny Salamo no miresaka momba ny tempoly? Inona ny lesona azontsika sintonina avy amin'ny fitiavan'i Davida ny fitoerana masina? Ahoana no hanampian'izany antsika hankamamy izay ananantsika ao amin'i Jesôsy Ilay mpisoronabentsika any an-danitra "mitoetra eo amin'ny tanana ankavanan’Andriamanitra ary mifona ho antsika" - Rôm. 8:34? Nahoana isika no mila ny fanelanelanana ataon'i Kristy ho antsika any an-danitra, na dia vahoaka voavotra aza?

4. Raha jerena ny tenin'i Ellen G. White etsy ambony, inona ny fanandramanao manokana momba ny nanandratan'Andriamanitra ny "fanahinao izay nibebaka mba ho isan'ireo izay hatsangan’Andriamanitra ho zanany" taorian'ny "fahafaham-baraka sy ny fahoriana" nateraky ny fahotana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal