Taorian'ny nisehoan'i Jehovah tamin'i Isaia tao amin'ny fahitana momba ny seza fiandrianana ao amin'ny Isa. 6:1-8, sy taorian'ny nilazana tarnin'i Isaia hoe: "afaka ny helokao" ary "voavela ny fahotanao", dia izao no nambarany ho setrin'ny antson'Andriamanitra: "Inty aho, iraho aho." - Isa. 6:8. Izany hoe, vantany vao fantany fa vita fihavanana tamin'Andriamanitra izy, dia vonona ny hiasa ho Azy izy na dia fantany aza ireo fahadisoany marobe.
Moa ve tsy toy izany koa isika? Ahoana no hitoriantsika ny famonjena amin'ny hafa raha tsy efa manana izany isika? Ary azontsika atao ny mandray izany, amin'ny alalan'ny finoana an'i Jesosy sy izay efa nataony ho antsika.
Vakio ny Sal. 51:7-15. Inona no ampanantenain'i Davida fa hataony rehefa voadio sy voavela heloka izy?
Ny hoe antsoina ho eo amin'ny fanatrehan'Andriamanitra dia midika hoe irahina. Tao amin'ny fahendreny no nanirahan'Andriamanitra ireo voavotra mba hanompo amin'ny maha-Feony azy ireo, hiteny amin'ity tontolo lavo ity. Hisy ny fotoana izay hahatsapana amin'ny fomba miezinezina ny fiantraikan'ny asa ataon'ny vahoakany eto an-tany. Milaza amintsika ny Apôk. 18:1 fa hampahazava an'izao tontolo izao manontolo ny antso farany alefa amin'ilay planeta lavo.
"Raha vantany vao mahafantatra an'i Kristy ny olona dia miredareda ao am-pony ny faniriana ta hampahafantatra ny hafa, fa efa nahita Sakaiza malala izy, dia i Jesosy; tsy azony hidina ao am-po ny fahamarinana mahatonga famonjena sy fahamasinana. Tsy azontsika atao ny hangina, raha voatafin'ny fahamarinan'i Kristy isika ary feno fifaliana noho ny Fanahiny ao am-pontsika. Tsy maintsy hanan-javatra holazaina isika, rehefa nanandrana, ka nahita fa tsara ny Tompo. Tahaka ny nataon'i Filipo, fony izy nahita ny Mpamonjy, no tsy maintsy hataontsika koa amin'ny olon-kafa hanatonany an'i Kristy." -DHK, t. 143, ed. 2018.
Miorina amin'ny "filazantsara mandrakizay ny hafatry ny anjely telo ao amin'ny Apôk. 14 (and. 6). Izany hoe, talohan'ny nitoriana ny hafatra momba ny fiankohofana amin'llay "nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano" - Apôk. 14:7, na koa ny fanambarana momba ny faharavan'i Babilona (Apôk. 14:8), na ny momba ny fiankohofana amin'ny "bibidia sy ny sariny" (Apôk. 14:9), no efa nitoriana ny fanorenan'ny filazantsara sy ny famonjena ao amin'i Jesosy. Izao no anton'izany: ny fampitandremana sy ny hafatry ny anjely telo dia tsy inona akory fa ny fanantenana sy ny teny fikasana ananan'ireo izay mitory ireo hafatra ireo ao amin'i Jesosy sy ao amin'izay efa nataony ho azy ireo. Tsy manan-javatra manan-danja holazaina amin'izao tontolo izao ankoatra ny "filazantsara mandrakizay" isika.
Saintsaino bebe kokoa izao: na dia talohan'ny nanombohana ny fitoriana ny hafatry ny anjely telo aza dla efa nambara tamintsika ny "filazantsara mandrakizay." Ahoana no hanambaran'izany amintsika ny maha-zava-manan-danja io fahamarinana io manoloana ny zavatra rehetra inoantsika?