Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 1 - Ny làlana ao am-pontsika.

Daty
Talata 20 May 2025

Manana anarana voasoratra eo amin'ny handriny ireo sisa izay niangona teo an-tendrombohitra Ziona: ny anaran'ny Ray sy ny anaran'ny Zanak'ondry (tsy azo heverina ny ahitana anarana roa samy hafa eo satria maneho an'Andriamanitra Ray i Jesôsy !). Mihoatra noho ny anarana tsotra ifampiantsoan'ny olona ny "anarana" ao amin'ny Soratra Masina; maneho toetra izany. Hatramin'izao andro izao, dia maro ny kolontsaina mbola milaza fa "tsara anarana" ny olona iray izay heverin'ny olona fa manana toetra ambony sy tsara.

Vakio ny Eks. 33:18-23 sy ny Eks. 34:1-7 ary ny Sal. 119:55. Rehefa nangataka ny hahita ny voninahitr' Andriamanitra i Mosesy, dia inona no nampanantenain'Andriamanitra haseho azy? Inona no nitranga avy eo rehefa nanonona ny Anarany tamin'i Mosesy Andriamanitra (Eks. 34:5)?

Misy olona maneho an-tsary ny voninahitr'Andriamanitra tahaka ny fahazavana mamirapiratra tsy azo atonina; azo antoka ny fahamarinan'izany fanoritsoritana izany. Mihoatra noho ny zavatra hita maso fotsiny anefa ny voninahitr Andriamanitra; ny voninahiny dia ny toetrany. Tahaka izany koa ny Anarany.

Raha milazalaza ny amin'ny vahoaka sisa manana ny anaran'Andriamanitra voasoratra eo amin'ny handriny ny Baiboly, dia tsy anarana misoratra eo ara-bakiteny tsy akory no tiany hambara fa fananana ny toetran'Andriamanitra voasoratra ao an-tsaina sy ao am-po, mba hanehoantsika taratra ny fitiavan Andriamanitra sy ny toetrany eo amin'ny fiainantsika. Efa nosintonina hanakaiky an'Andriamanitra ianao, ary tia Azy amin'ny maha-Andriamanitra Azy sy noho izay efa nataony ho anao.

Tsara homarihina koa fa rehefa nanonona ny toetrany tamin'i Mosesy Andriamanitra, dia nataony tamin'ny fotoana nanolorany an'i Mosesy ny dika mitovin'ny Didy folo izany, izay Toetrany voarakitra an-tsoratra. Tahaka izany koa, ireo olona izay manana ny "anaran’Andriamanitra ao amin'ny Apôk. 14 dia voalaza fa "mitandrina ny didin'Andriamanitra." Rehefa izay, dia mariho izay voasoratra ao amin'ny Hebreo: "Izao no fanekena hataoko aminy, rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehôvah : hataoko ao am-pony ny lalako, sady hosoratako ao an-tsainy, dia hoy koa Izy: ny fahotany sy ny helony tsy hotsarovako intsony." Heb. 10:16,17. Maneho ny filazantsara tokoa izany: na dia hita taratra eo amin'ny fiainantsika aza ny lalan'Andriamanitra, dia mbola ilaintsika ihany ny tsy hahatsiarovana "intsony" ny fahotantsika.

Maneho ny toetran'Andriamanitra ny Anarany. Ny lalàny môraly dia ny toetrany voarakitra an-tsoratra. Ary ireo izay mivory eo an-tendrombohiny masina amin'ny andro farany dia feno fitiavana an'Andriamanitra, fitiavana izay miseho amin'ny fankatoavana ny Didiny.

Raha toa isika vonjena amin'ny finoana fa tsy amin'ny lalana, mahasoa amin'inona àry ny lalan'Andriamanitra? (Jereo ny 1 Jao. 5:3)

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 05 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Fampidirana
Sun 06 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Ilay roimemy nirehitra.
Mon 07 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Ny anjelin’i Jehôvah.
Tue 08 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Ny anaran’i Jehôvah.
Wed 09 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Ireo fialan-tsiny efatra.
Thu 10 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Ny famorana.
Fri 11 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Jun 2025
TELOVOLANA 3: EKSODOSY- DIA MANKANY AMIN’ILAY TANY NAMPANANTENAINA.
Sat 28 Jun 2025
Lesona 1 : FAMPAHORIANA: NY TONTOLON-KEVITRA SY NY FAHATERAHAN’I MOSESY - Fampidirana.
Sun 29 Jun 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA - NY FAHATERAHAN’ I MOSESY - Vahoakan’Andriamanitra tao Egypta.
Mon 30 Jun 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA - NY FAHATERAHAN’ I MOSESY - Ny tontolon-kevitra ara-tantara.
Tue 01 Jul 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Ireo mpampivelona Hebreo.
Wed 02 Jul 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Teraka i Mosesy.
Thu 03 Jul 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Miova ny drafitra.
Fri 04 Jul 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (21)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal