Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).

Daty
Alarobia 18 February 2026

Vakio ny Kol. 1:18. Inona no fifandraisana misy eo amin'ny maha Loha an'i Kristy sy ny maha "voalohany" Azy?

Misy ifandraisany ny voambolana hoenti-milaza ny loha (ro's) sy ny fiandohana na ny voalohany (rë 'Sit) amin'ny teny hebreo. Ao amin'ny Gen. 1:1 no ahitana ny ohatra voalohany amin'ny teny hoe "voalohany" ao amin'ny Soratra Masina: Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny fany." I Jesôsy no lohan'ny taranak'olombelona sy ny fiangonana, tsy noho ny fahatongavany nofo ihany fa noho ny maha Mpamorona Azy koa. ho

Amin'ny teny grika, dia mivelatra tokoa ny hevitry ny teny ilazana ny hoe voalohany (arche). Ny "voalohany" eto dia manondro an'i Jesôsy amin'ny maha loharano nipoiran'ny fiangonana Azy (Kôl. 1:18); Izy no Loha araka izany, tahaka ny maha "voalohany" na Mpamorona Azy.

Tsy tompon-kevitra amin'ny famoronana sy ny fanorenana ny fiangonana fotsiny i Jesosy, fa noho ny fitsanganany tamin'ny maty koa (Rôm. 6:3,4), dia manao famoronam-baovao Izy. Koa satria fahafatesana no tambin'ny ota, ny fandreseny ny fahafatesana dia maneho amintsika koa fa resiny ny ota ary manana fahefana hamorona antsika indray ho araka ny endriny Izy. Izany rehetra izany no maneho ny antony maha "Lahimatoa tamin'ny maty Azy (jereo ny lesona tamin'ny Alatsinainy mikasika ny hevitry ny hoe "lahimatoa"). Ny fitsanganany tamin'ny maty no ambony indrindra amin'ny fitsanganana, na dia tsy izany aza no voalohany indrindra (i Mosesy no natsangana tamin'ny maty voalohany, izany no nahatonga ny devoly niady ny amin'ny fatiny [Joda 91). Raha tsy nitsangana tamin'ny maty i Kristy, dia tsy misy azo atsangana amin'ny maty na dia iray aza.

Manampy antsika indrindra ny famerenana fohifohy ireo antony mahatonga an'i Paoly hilaza fa manana toerana ambony sy alohan'ny zavatra rehetra i Jesôsy :

  1. Izy no fanehoana tonga lafatra an'ilay Andriamanitra tsy hita maso.
  2. Izy no nahariana ny zavatra rehetra.
  3. Efa nisy talohan'ny zavatra rehetra Izy, ary Izy no mihazona ny zavatra rehetra.
  4. Izy no Lohan'ny fiangonana, ary tenany izany.
  5. Izy no tompon-kevitra sady Mpanao ny famoronana sy ny famoronam-baovao.
  6. Efa nandresy ny fahotana sy ny fahafatesana Izy ka manan-jo hanangana amin'ny maty izay rehetra mitoky Aminy sy manao Azy ho Mpamonjy.
  7. Efa nisy hatrizay i Jesôsy , nefa ankehitriny, noho ny amin'ireo rehetra ireo, dia manjary manana ny toerana ambony sy aloha indrindra Izy amin'ny maha Lohan'ny taranak'olombelona Azy sy Lohan'ny fiangonana Azy.

Inona no tsy maintsy ovanao mba hahafahanao miaina bebe kokoa ny fanandraman'ny fahambonian'i Kristy eo amin'ny fiainanao?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (35)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal