Vakio ny Kol. 1:18. Inona no fifandraisana misy eo amin'ny maha Loha an'i Kristy sy ny maha "voalohany" Azy?
Misy ifandraisany ny voambolana hoenti-milaza ny loha (ro's) sy ny fiandohana na ny voalohany (rë 'Sit) amin'ny teny hebreo. Ao amin'ny Gen. 1:1 no ahitana ny ohatra voalohany amin'ny teny hoe "voalohany" ao amin'ny Soratra Masina: Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny fany." I Jesôsy no lohan'ny taranak'olombelona sy ny fiangonana, tsy noho ny fahatongavany nofo ihany fa noho ny maha Mpamorona Azy koa. ho
Amin'ny teny grika, dia mivelatra tokoa ny hevitry ny teny ilazana ny hoe voalohany (arche). Ny "voalohany" eto dia manondro an'i Jesôsy amin'ny maha loharano nipoiran'ny fiangonana Azy (Kôl. 1:18); Izy no Loha araka izany, tahaka ny maha "voalohany" na Mpamorona Azy.
Tsy tompon-kevitra amin'ny famoronana sy ny fanorenana ny fiangonana fotsiny i Jesosy, fa noho ny fitsanganany tamin'ny maty koa (Rôm. 6:3,4), dia manao famoronam-baovao Izy. Koa satria fahafatesana no tambin'ny ota, ny fandreseny ny fahafatesana dia maneho amintsika koa fa resiny ny ota ary manana fahefana hamorona antsika indray ho araka ny endriny Izy. Izany rehetra izany no maneho ny antony maha "Lahimatoa tamin'ny maty Azy (jereo ny lesona tamin'ny Alatsinainy mikasika ny hevitry ny hoe "lahimatoa"). Ny fitsanganany tamin'ny maty no ambony indrindra amin'ny fitsanganana, na dia tsy izany aza no voalohany indrindra (i Mosesy no natsangana tamin'ny maty voalohany, izany no nahatonga ny devoly niady ny amin'ny fatiny [Joda 91). Raha tsy nitsangana tamin'ny maty i Kristy, dia tsy misy azo atsangana amin'ny maty na dia iray aza.
Manampy antsika indrindra ny famerenana fohifohy ireo antony mahatonga an'i Paoly hilaza fa manana toerana ambony sy alohan'ny zavatra rehetra i Jesôsy :
- Izy no fanehoana tonga lafatra an'ilay Andriamanitra tsy hita maso.
- Izy no nahariana ny zavatra rehetra.
- Efa nisy talohan'ny zavatra rehetra Izy, ary Izy no mihazona ny zavatra rehetra.
- Izy no Lohan'ny fiangonana, ary tenany izany.
- Izy no tompon-kevitra sady Mpanao ny famoronana sy ny famoronam-baovao.
- Efa nandresy ny fahotana sy ny fahafatesana Izy ka manan-jo hanangana amin'ny maty izay rehetra mitoky Aminy sy manao Azy ho Mpamonjy.
- Efa nisy hatrizay i Jesôsy , nefa ankehitriny, noho ny amin'ireo rehetra ireo, dia manjary manana ny toerana ambony sy aloha indrindra Izy amin'ny maha Lohan'ny taranak'olombelona Azy sy Lohan'ny fiangonana Azy.
Inona no tsy maintsy ovanao mba hahafahanao miaina bebe kokoa ny fanandraman'ny fahambonian'i Kristy eo amin'ny fiainanao?