FAHATOKIANA
Vakio ny Nom. 13:6,30-32; ary ny Jos. 14:6,14. Iza moa i Kaleba? Inona no toerana notanany teo anivon'ny vahoaka Isiraely?
Ny anarana Kaleba dia avy amin'ny teny hebreo hoe keleb, midika hoe "alika", izay toe-javatra ratsy mandrakariva no ampiasana azy ao amin'ny Testamenta Taloha. Na izany aza, ny teny hoe keleb dia ampiasaina ao amin'ireo taratasy sy hiram-pivavahana ivelan'ny Baiboly mba hilazana ny herim-pon'ny mpanompo, ny fikirizany ary ny fahatokiany amin'ny tompony. Mifanaraka amin'ny toetran'i Kaleba ny anarany amin'io lafiny io; naneho fahatokiana tsy voahozongozona tamin'ny Tompony izy nandritra ny androm-piainany.
Manambara inona momba an'i Kaleba ny fahavononany hilaza ny heviny na dia tsy niombon-kevitra taminy velively aza ny ankamaroan'ireo mpisafo tany, ary nandrahona azy ho faty ny vahoaka Isiraely? Jereo ny Nom. 14:6-10, 21-25; Nom. 26:65; Nom. 32:12.
Diniho ireto mpitarika isiraelita manan-danja ireto, izay niara-belona tamin'i Josoa sy i Kaleba: Samoa, Safata, Jigala, Palty, Gadiela, Gady, Amiela, Setora, Naby ary Geoela. Efa fandrenao ve ireo anarana ireo?
Azo inoana fa tsia.
Nahoana? Satria ireo no anaran'ireo mpisafo tany folo hafa nirahin'i Mosesy hijery ny tany Kanana. Hadino izy ireo satria tsy mendrika hotsarovana ny anarany. Nasehony ho toy ny tany tsy azo alaina ny Tany Nampanantenaina araka ny tatitra nataony. Toy ny tsingetana no fahitany ny tenany teo anatrehan'ireo olona goavam-be nonina teo amin'ny faritra sasany tamin'ilay Tany, ary levon'ny tahotra ny fony teo anoloan'ireo manda mafin'ny tanana tao Kanana toa "tsy hay resena".
I Kaleba izay anankiray tamin'ireo mpisafo tany roa nanao tatitra tsara, no nanentana voalohany ny vahoaka mba hanana fijery hafa: ny toe-tsain'ny finoana. Vonona ny hilaza izay fantany fa marina izy, na teo aza ny fanoherana, ary na teo aza ny mety ho fahafatesana niandry azy: "Fa hoy ny fiangonana rehetra: Torahy vato izy roa lahy." - Nom. 14:10.
Inona no ataonao rehefa toa manana hevitra hafa amin'ny anao ny ankamaroan'ny olona manodidina anao, dia hevitra mifanohitra amin'ny faharesen-dahatra lalina ao anatinao?