Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fianarana fanampiny

Daty
Zoma 21 November 2025

Fianarana fanampiny:

"Hatramin'ny andro nanoherany ny filazana tsy misy finoana nataon'ireo mpisafo tany, dia tsy niova mihitsy ny finoan'i Kaleba. Ninoany ny teny fikasana nataon'Andriamanitra ho an'ny olony mba hahazoany ny tany Kanana, ka narahiny maso miandalana ny fahatanterahan'izany. Niara-niaritra ny dia lavitr'Isiraely iray firenena taminy izy, niara-nizaka fahadisoam-panantenana sy famaizana tamin'ny olom-meloka. Niombona fihafiana sy loza ary farmaizana taminy izy, ary torak'izany koa ireo taona niadiana nanaraka tatý aoriana. Lavitra azy anefa nimonomonona, fa nankalaza ny famindrampon Andriamanitra izay nitahiry ny ainy no nataony, fa ireo rahalahiny kosa maty tany an'efitra. Na dia efa valopolo taona mahery aza izy, dia tsy nihena ny heriny na dia kely aza. Noho izany, dia ny faritany izay voalazan'ny mpisafo tany fa sarotra alaina indrindra no nangatahiny, fa tsy tany efa azo rahateo. Nitetika haka teo an-tanan'ireo olona vaventibe izay nampihorohoro ny Isiraely ny tananany mimanda, miaraka amin'ny fanampian'Andriamanitra izy. Tsy faniriam-boninahitra na fitadiavam-pisandratana ho an'ny tenany anefa no anton'ny hataka nataony Ity mpanafaka mahery fo ity, izay antitra teo amin'ny fanafihana, dia ta hanome ohatra ny Isiraely ho fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra manontolo sy ho fampaherezana ny firenena sisa hahavita ny asa noheveriny tsy ho vita, dia ny fanafihana ny tany Kanana. "PM, 1. 512.

"Ny finoan'i Kaleba an'Andriamanitra no nanome azy herim-po, niaro azy tamin'ny tahotra olona, ary nahafahany nijoro tamim-pahasahiana sady tsy voahozongozona tamin'ny fiarovany ny marina. Izay tena miaramilan'ny hazo fijaliana rehetra dia afaka mahazo tanjaka sy herim-po handresena ireo sakana izay toa tsy azo ihoarana, amin'ny alalan'ny fianteherana amin'io hery io, dia amin'llay Mpitari-tafiky ny lanitra."- ARSH, 30 Mey 1912.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Ifanakalozy hevitra ny amin'ny fanerena ataon'ny namana sy ny herim-po ilaina mba hitenenana rehefa tsy manao izany ny hafa. Inona no anjara asan'ny herim-po ao anatin'ny fanehoantsika ny finoantsika? Ahoana no ahaizantsika mijoro amin'izay inoantsika ho marina kanefa amin'ny fomba feno fanajana sy fahalalam-pomba?

2. Mitanisà ohatra vitsivitsy maneho finoana ao amin'ny fiangonanao na ny fiarahamonina misy anao, izay namolavola ny fiainanao sy ny toetranao, ka zarao ao amin'ny kilasy izany. Inona avy ny toetran'ireo olona ireo, izay mendrika halain-tahaka?

3. Saintsaino ary ifanakalozy hevitra ny fiantraikan'ny haino aman-jery eo amin'ny fiainantsika. Ahoana no hialantsika amin'ny voka-dratsin'ireny kanefa sady hararaotintsika ny tombontsoa avy aminy ho amin'ny tanjona tsara?

4. Saintsaino lalina kokoa ny fanetren-tenan'i Josoa amin'ny maha-mpitarika azy sy ny faniriany honina akaikin'ny fitoerana masina. Midika inona ho anao ny ohatra nasehony?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal