ILAY MAHERY FO MANETRY TENA
Manomboka sy mamarana ireo lisitra lava misy anaran-toerana izay nanamarika ny sisin-tanin ireo fokon'ny Isiraely, ny tatitra momba ny fizaran-tany ho an'ireo mahery fo anankiroa, dia i Kaleba sy i Josoa, izay nisafo voalohany ny tany. I Kaleba no nahazo ny lovany voalohany, ary i Josoa kosa no nahazo farany. Hatreo amin'io fotoana io dia i Josoa no nizara tany ho an'ireo fokon'ny Isiraely; anjaran'ny vahoaka Isiraely kosa avy eo ny nanome lova ho an'i Josoa.
Vakio ny Jos. 19:49-51. Midika inona ny hoe ilay mpitarika lehiben'ny Isiraely, izay nizara ny tany, no nahazo ny anjara lovany farany?
Ny tanàna azon'i Josoa dia Timnata-sera, anarana izay ahitana teny roa. Ny voalohany, Timnata, dia avy amin'ny matoanteny (manah) izay midika hoe manisa na mizara, ary midika hoe anjara na faritany. Ny teny faharoa dia azo avy amin'ny matoanteny hebreo (serach), izay midika hoe mihoatra na sisa (ampitahao amin'ny Eks. 26:12). Ny anaran'ny tananan'i Josoa día azo adika hoe: ny anjara sisa tavela na ny faritany mihoatra.
Nanambara ny toetra mendrika nananan'i Josoa, ilay mpitarika faharoan'ny Isiraely ny anaran'ny tanána izay nofidiny tamin'izay sisa tavela. Voalohany, nandrasany hahazo ny anjarany avokoa ny vahoaka rehetra. Manaraka izany. tsy nifidy ny iray tamin'ireo faritany be mponina indrindra na lehibe indrindra i Josoa ho lovany, fa tanana tsotra, na angamba ny sisan-javatra tamin'izany. mba hanorenany ny azy indray amin'ny alalan'ny asa mafy (ampitahao amin'ny Jos. 19:50).
Ankoatra izany, niorina akaikin'i Silo i Timnata-sera, teo amin'ny manodidina ny fitoerana masina, ary manambara ny laharam-pahamehan'i Josoa sy izay niraiketan'ny fony izany. Azo antoka fa tsy ho nanda ny fangatahan'i Josoa lova lehibe kokoa ny firenen'ny Isiraely vao niorina, izay efa notarihiny hatrao amin'ny Tany Nampanantenaina, ary, niaraka tamin'ny fanampian Andriamanitra, nomeny lova araka ny foko sy ny fianakaviana tsirairay. Na izany aza dia naleon'i Josoa nianina tamin'ny fiainana tsotra, nifantoka tamin'izay tena zava-dehibe indrindra. ka nanome lanja ilay vavaka nataon'i Davida taty aoriana hoe: "Zavatra iray loha no nangatahiko tamin'i Jehôvah , izany no hotadiaviko, dia ny hitoetra ao an-tranon'i Jehovah amin'ny andro rehetra hiainako, mba ho faly mijery ny fahasoavan'i Jehovah sy mandinika ny tempoliny." - Sal. 27:4.
Inona no lesona azonao tsoahina momba ny toe-tsain'i Josoa? Ahoana no mety hampiharanao izany amin'ny tenanao ankehitriny?