NY HERIN'NY OHATRA ASEHO
Vakio ny Jos. 15:16-19, Mpits. 1:13, ary ny Mpits. 3:7-11. Inona no ambaran'io tantara io amintsika momba ny herin'ny ohatra aseho? Amin'ny fomba ahoana no isehoan'ny toe-tsain'i Kaleba ao amin'ny taranaka zandriny?
Ao amin'io tantara io dia nanolotra an'i Aksa zanany vavy ho vadin'izay hamely sy hahafaka an'i Debira i Kaleba. Azon'i Otniela io tanana io, koa tonga vadiny i Aksa. Zava-dehibe ity tantara ity satria hita eto indray ny herim-pon'i Kaleba, ny finoany, ary ny fahavononany hiatrika fanamby.
Asehon'izany tantara izany koa fa nanaraka ny ohatr'ireo olo-malazan'ny finoana, dia i Kaleba sy i Josoa, ny taranaka isiraelita manaraka. Rehefa namarana ny fanompoany ny taranaka zokiny, dia nisy taranaka vaovao vonona hiatrika fanamby koa, ary nanohy ny fanatanterahana ny drafitr Andriamanitra ho an'ny Isiraely.
Toy ny nangatahan'i Kaleba tamin'i Josoa hoe: "Omeo ahy irỳ tendrombohitra iry", dia naneho finoana sy fahatapahan-kevitra mitovy amin'izay nasehon'ny rainy i Aksa, niaraka tamin'ny vadiny. Nanaraka ny ohatr'i Kaleba rainy izy tamin'ny nanehoany fahavononana sy fahasahiana ho fanatanterahana ny teny fikasana momba ny fahazoana ilay tany.
Eny tokoa, fanomezana avy amin'i Yahweh ho an'ny Isiraely ilay tany, saingy tsy maintsy naka izany tamin'ny alalan'ny fitakiana ireo teny fikasan'i Jehôvah tamim-pinoana sy herim-po ny Isiraely. Ny fahavononan'i Aksa dia naneho mialoha ny fikirizan'ireo vehivavy ao amin'ny Filazantsara izay tsy voasakan'ny vahoaka na ny mpianatra, ary tsy niala raha tsy nahazo ny fitahian'i Jesôsy ho an'ny tenany sy ny ankohonany.
Vakio ny Lio. 18:1-5. Inona no lesona ho antsika eto?
Tena zava-dehibe ny famindrana ny fanilon'ny finoana amin'ny tara-naka manaraka mba hanatanterahana ny iraka nankinin'Andriamanitra tamintsika. Saino ny fahasarotan'ny fampitana ny finoana amin'ny taranaka manaraka, etsy an-daniny, sy ny tombontsoa ho azon'ny tanora amin'ny fahafahany mandray andraikitra bebe kokoa amin'ny fanaovana ny asan'Andriamanitra, etsy an-kilany. Inona no azontsika atao mba hanampiana sy hanofanana ny tanora ho tonga mpitarika araka an'Andriamanitra? Hatraiza ny maha-zava-dehibe ny ohatra asehontsika amin'izany?