Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 16 May 2026

Hodinihana mandritra ny herinandro: Mar. 8:11,12; Mat. 15:21-28; Lio. 7.1-10; Efes. 2:8; Heb. 11; Apôk. 14:12. 

Tsianjery: "Ary ny finoana no fahatokiana ny amin'ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita." - Heb. 11:1. 

Nisy olona nilaza toy izao indray mandeha: "Ny finoana dia toy ny WiFi. Tsy hita maso izy, saingy manana hery mampifandray anao amin'izay ilainao." Tsy isalasalana fa raha tsy misy ny finoana, dia tsy hisy ny fifandraisana amin'Andriamanitra. 
Manao ahoana ny finoanao ankehitriny? Efa nisy fotoana ve nihozongozona ny finoanao an'Andriamanitra? Angamba efa nandalo ady sarotra ianao izay tsy nahafantaranao intsony ny fomba hirosoana eo amin'ny fifandraisanao amin'Andriamanitra. Sa ve ny finoanao tahaka ny raozy mamony amin'ny tahony maitso, izay mivelatra tsikelikely ho tonga voninkazo marevaka sy mahafinaritra, ka mameno ny efitrano misy azy amin'ny hanitra tsy hay hadinoina? Satria marina tokoa fa "ny finoana no fahatokiana ny amin'ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita." — Heb. 11:1. Tsy zavatra azontsika amboarina amin'ny herin'ny tenantsika izany, satria "finoana izay nozarain'Andriamanitra ho anareo avy" - Rôm. 12:3. Ny finoana dia fanomezana avy amin'Andriamanitra (Efes. 2:8,9), ary tsy afaka mino an'Andriamanitra isika raha tsy noho ny zavatra efa ataon'Andriamanitra ao anatintsika sy ho antsika. Andeha hodinihintsika amin'ity herinandro ity ny tohahevitra momba ny finoana: inona no hatao amin'ny fisalasalana sy ny tsy finoana? Araka ny fijerin'i Jesôsy, toy ny ahoana izany finoana matanjaka izany; ary inona no hevitry ny hoe manana "finoana an'i Jesôsy "? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal