Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.

Daty
Alakamisy 21 May 2026

Eo am-panakekezan'izao tontolo izao ny farany, ny ampahany amin'ny hafatry ny anjely telo dia manoritsoritra ny vahoakan'Andriamanitra ho (anitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an’i Jesôsy.

Vakio ny Apôk . 14:12. Inona no hevitry ny hoe "ny finoana an'i Jesôsy"?

Ho hitantsika, raha mandinika ny fomba nahatakaran'ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito ny fahamarinana amin'ny finoana isika, fa nanodidina ireo taona 1890 dia nohamafisina fatratra tao am-piangonana ny fahatakarana ny amin'ny finoana Jesôsy sy ny hafatry ny anjely telo. Mandra-pahatonga io fotoana io dia nanome lanja lehibe ny lalana ny fiangonana, ary nila nohamafisina kokoa ny momba ny filazantsara. Toy izao no namintinan'i Ellen G. White azy: 'Eta notorina ny didin'Andriamanitra, saingy ny finoana Jesosy Kristy kosa tsy mbola notorin'ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito ho manan-danja mitovy amin'izany, nefa ny lalana sy ny filazantsara dia tokony hiara-dalana." — SIM, b. 3, t. 172.

Na dia mitanisa ireo lehilahy sy vehivavy nanana toe-panahy araka an Andriamanitra sy nanana finoana matanjaka aza ny Heb. 11, dia tsy misy mahatoraka ny finoan'i Jesosy ny finoan'izy ireo.


Vakio ny Mat. 26:36-42. Inona no ambaran'izany amintsika momba ny finoan'i Jesosy tamin'io fotoana niankinan'aina io?

Rehefa manana ny finoan'i Jesôsy isika, dia tsy midika fotsiny izany fa haneho finoana an'Andriamanitra tahaka ny Azy isika, amin'ny alalan'ny fankatoavana Azy sy ny Teniny, fa koa hoe hanana fanandramana velona sy mavitrika isan'andro miaraka amin'i Jesosy isika. !zany dia ny fahafantarana sy fiasana mifanaraka amin'ny fahamarinana fa raha tsy ataontsika ivon'ny fiainantsika isan'andro i Jesôsy , dia tsy mety hanana fifandraisana mahavonjy amin'Andriamanitra isika.

Ny fananana ny finoan'i Jesôsy dia midika ho fananana an'i Jesôsy mitoetra ao anatintsika, ary noho izany dia ao am-pontsika ny finoany, satria i Jesôsy no fototra iorenan'ny finoantsika. Indraindray malemy sy marefo ny finoantsika. Saingy Jesosy no mendrika (Apôk. 5:9), ary afaka manana ny finoany isika, izay sady hita taratra amin'ny fanandramana iainantsika no isaina ho antsika, amin'ny alalan'ny fahasoavana omeny izay rehetra mino.

Hatraiza ny fanirianao hanana ny finoan'i Jesôsy? Amim-panetren-tena, angataho Andriamanitra hanome anao izany, ary ataovy ao amin'ny vavakao manokana ny Heb. 11:6, manao hoe: "Tompo ô, raha tsy amin'ny finoana dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka Aminao. Manatona Anao aho ary mino fa misy lanao, ary hamaly soa ahy izay mazoto mitady Anao. Izany indrindra no ataoko izao." 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.
Sun 31 May 2026
Lesona 10 : FIBEBAHANA SY FAMELAN-KELOKA - Ny rotoroton’ny fiainana.
Mon 01 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny asan’ny Fanahy Masina.
Tue 02 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny fibebahana marina.
Wed 03 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fahasoavana ampy.
Thu 04 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Akanjo lafo vidy indrindra.
Fri 05 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal