Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.

Daty
Alahady 17 May 2026

Angamba efa nandre olona nilaza toy izao ianao: oRaha afaka nahita ny Ranomasina Mena nisokatra aho, na ny mana nilatsaka, na i Jesôsy nampahiratra ny jamba, dia ho nino.» Na angamba ianao mihitsy no mieritreritra toy izany.

Nahoana tokoa moa no tokony ho mora kokoa amintsika ny hanam-pinoana noho ireo olona fahiny tamin'ny andron'ny Baiboly? Tsy nanana ny Baiboly manontolo ny Isiraelita, ary tsy nanana tantara fahiny voarakitra an-tsoratra azony nanaovana jery todika handraisany lesona tahaka antsika. Nohamafisin'i Mosesy ny maha zava-dehibe ny manao jery todika mba tsy hanadinoana ny fitantanan'Andriamanitra sy ny fahatsarany (jereo ny Deo. 4:7-10; Deo. 8:2,3). Tsy tahaka ny Isiraelita isika; tantara nandritra ny 6000 taona no ananantsika ao amin'ny Baiboly, izay azontsika anovozana lesona.

Samy nitady famantarana ny taranaka nifandimby, ary tsy hafa amin'izany izao taranaka misy antsika izao. Eny amin'ny manodidina antsika rehetra eny anefa ny famantarana. Raha mamaky ny Mat. 24 ianao dia ho hitanao fa maro ireo famantarana efa tanteraka, sy eo an-dalam-pahatanterahana ankehitriny.

Na ireo olona tamin'ny andron'i Jesôsy aza dia nangataka famantarana maneho ny maha Zanak'Andriamanitra tokoa an'i Jesôsy, na efa maro be aza ny famantarana efa nomena azy ireo. Inona no navalin'i Jesôsy izany? (Jereo ny Mar. 8:11,12).

Miady hevitra amin'i Jesôsy ve isika ka maka fanahy Azy tahaka ny Fariseo? Ataontsika «misento mafy am-panahy» mihitsy ve izy noho ny tsy fananantsika finoana kanefa efa nomeny antsika avokoa izay rehetra ilaintsika mba hinoantsika?

«Tsy ireny famantarana ireny anefa no nilain'ny Jiosy. Tsy mety hitondra soa ho azy ny porofo ivelany fotsiny. Tsy fanazavana ara-tsaina no nilainy, fa fanavaozana ara-panahy.» - IFM, t. 433. Mety mila fanavaozana ara-panahy koa ye isika - fiaraha-mandeha marina amin'Andriamanitra, isaky ny indray mandingana? Tsy famantarana angamba no tena ilaintsika satria efa rnanam-pahalalana betsaka isika, indrindra avy ao amin'ny Baibolintsika.

Koa aoka isika tsy hampisento mafy an'i Jesosy noho ny tsy fananantsika finoana, fa hahatsiaro ny teny nolazain'i Jesosy an'i Tomasy kosa: <Sambatra (...) izay tsy nahita, nefa nino» - Jao. 20:29 (jereo koa ny Heb. 11:1). Tsy mitaky ny hananantsika finoana Jamba i Jesosy - eta nomeny antony maro hinoana isika. Na eo aza anefa izany antony rehetra izany dia mbola misy ihany ny fisalasalana. Ny vahaolana dia ny mifantoka amin'izay manamafy ny finoana fa tsy amin'izay mitondra fisalasalana.

Tao anatin'ny 60 segondra farany, ahoana no hanoritsoritanao ny finoanao an'Andriamanitra? Inona no ambaran'ny valin-teninao mamba ny fiainam-panahinao? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal