Ampitahao ny fanoritsoritan'i Jesôsy ny finoan'ny mpianany ao amin'ny Mar. 4:40 sy ny an'ilay vehivavy ao amin'ny Mat. 15:21-28.
Tsy hoe satria manara-dia an'i Jesôsy isika dia matanjaka avy hatrany ny finoantsika. Raha ny marina, misy olona sasany milaza fa mino, kanjo hitan'i Jesosy ny ao am-pony marina (Jao. 2:23-25).
Vakio ny Lio. 7:1-10. Inona no ampianarina antsika momba ny finoana avy amin'io tantara io?
Hitantsika ao amin'ny Mar. 9 ny tantaran’llay lehilahy nanatona an'i Jesôsy mba handroahany ny demonia ao amin'ny zanany lahy, nefa zara raha nanam-pinoana izy nilazana hoe: «Mino aho, vonjeo aho ho afaka amin'ny tsi-finoako» - Mar. 9:24.
Voamarik'i Jesôsy ny finoan'ny olona tsirairay nifanerasera Taminy, na ny tsy fahampian'ny finoany, ka nanao fahagagana Izy vokatr'izany finoana izany, na mba hanatanjaka ny finoany
Tahaka ny ampirisihan'ny Fanahy Masina antsika hino, dia manao izay hisalasalantsika na handavantsika ny fidiran'Andriamanitra an-tsehatra eo amin'ny fiainantsika ilay fahavalon'ny fanahy. "Manana hery mamatotra ny tsy finoana kolokoloina ao amin'ny fanahy. Hamoa ny voan'ny fisalasalana izay nafafiny, saingy tsy maintsy hongotany hatramin'ny fakany ny tsy finoana rehetra. Tsy hitombo intsony ireny zava-maniry feno poizina ireny rehefa voahongotra satria tsy misy mamelona azy amin'ny teny sy ny asa intsony. Ireo voa sarobidin'ny finoana sy ny fitiavana no tsy maintsy ambolena ao amin'ny fo sy ampanjakaina ao." - FA, tt. 11,12.
Rehefa misalasala ny amin'Andriamanitra na ny toetrany na ny Teniny isika, Inona no ataontsika? Tsy manao tsinontsinona na mandingana ny fisainan'ny olombelona Andriamanitra; namorona antsika araka ny endriny mantsy Izy ary manasa antsika hifampiresaka Aminy, tahaka ny nataony tamin'i Abrahama, i Mosesy, ary i Joba. Manasa antsika Andriamanitra hianatra hiasa ao anatin'ny fomba fisainany, izay mahataka-davitra sy tsy voafetra, na indraindray aza tsy maintsy miaiky isika fa misy zavatra tsy,takatry ny saintsika.
Saino ny antony mitombina rehetra mahatonga anao hanam-pinoana. Kanefa koa, hatraiza no mijanona ny lojika ka ilanao maneho finoana matanjaka sy mitombina?