Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.

Daty
Talata 19 May 2026

Nilaza i Jesôsy fa hahafindra tendrombohitra isika, raha manana finoana kely toy ny voan-tsinapy iray (Mat. 17:20). Raha efa nahita voantsinapy ianao, dia fantatrao ny hakelin'izany. Kanefa ny fananana finoana kely toy izany dia afaka mitondra fiovana lehibe tokoa. Koa tsy maintsy ho tena manan-danja sy mahery ary matanjaka ny finoana raha izany, satria mahavita zavatra tsy vitan'ny herin'olombelona. Na izany aza, tahaka ny voantsinapy izay afaka mitombo ho hazo lehibe (Mat. 13:31,32), ny finoantsika dia tokony hitombo fa tsy hijanona fotsiny amin'izao.

Mila manam-pinoana ampy tokoa isika mba hahafahantsika mifandray voalohany am       in'Andriamanitra (jereo ny Rôm. 12:3).

Inona no lazain'ny Efes. 2:8 amintsika momba ny anjara asan'ny finoana amin'ny famonjena? Raha misy milaza hoe: "Tsy manana finoana aho satria tsy nomen'Andriamanitra", nahoana no tsy marina izany?

Tokony ho takatsika aloha fa ny finoana dia tsy zavatra azo tsapain-tanana; fihetsika ataon'ny olombeiona vokatry ny asan'ny Fanahy Masina izany. Avy amin'Andriamanitra ny fahasoavana, Izay mitaona antsika hanatona Azy amin'ny alalan'ny Fanahy Masina rehefa avelantsika hanao izany Izy (Jer. 31:3). Fahasoavana no amonjena antsika, amin'ny alalan'ny finoana, izay setrin'ny fahasoavan'Andriamanitra nomena antsika tamin'ny alalan'ny fahafatesan'i Jesosy. Voavonjy isika satria mino an'Andriamanitra noho ny fahasoavany. 'zany no ivon'ny atao hoe manana fifandraisana Aminy. Manaraka izany, tsy azontsika hadinoina fa ny finoana dia tsy fihetseham-po. Maro no tsy manam-pinoana, kanefa tombontsoa sy adidy ho azy ny fampiasana izany.

Matetika izy ireny no miandry ilay fihetseham-po izay ny finoana irery ihany no afaka hanome izany. Tsy finoana ny fihetseham-po (...). Natao haneho finoana isika, ary anjaranAndriamanitra no manome fifaliana sy fitahiana." — EW, t. 72.

Mety hahatsapa ny olona sasany fa tsy manana finoana satria tsy mahatsiaro ho akaiky an'Andriamanitra na tsy mahatsiaro ho Kristianina araka ny tokony ho izy. Saingy ny finoana dia fitokiana sy fianteherana amin'Andriamanitra, tsy amin'ny fotoam-piadanana ihany, fa rehefa ao anatin'ny haizina na ao anatin'ny tafiotra koa, na dia rehefa tsy takatrao mazava aza ny zava-mitranga eo amin'ny fiainanao.

Tsy ny fihetseham-po velively no tokony hitondra ny fanandramana ara-pivavahantsika na ny fifandraisantsika amin'Andriamanitra. Amin'ny fotoana izay iheverantsika ho lavitra an'Andriamanitra indrindra no ilantsika maneho finoana sy miantso Azy (tahaka ilay raim-pianakaviana ao amin'ny Mar. 9:24).

Diniho ireto andininy ao amin'ny Baiboly ireto ary takio ho anao, ho fanehoam-pinoana, mba hanamafisana ny fifandraisanao amin'Andriamanitra anio: Heb. 12:1,2; 2 Tant. 15:7; Rom. 3:23-26; Lio. 7:50. Tonony amin'ny feo mafy izany ao anatin'ny vavaka ataonao amin'Andriamanitra. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal