Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 16 August 2025

FAMPIDIRANA

Hodinihina mandritra ny herinandro: Eks. 19:1-20:17: Apôk . 21:3; Deo. 5:6-21; Jak. 1:23-25; Rôm. 3:20-24; Rôm. 10:4.

Tsianjery:

"Hianareo efa nahita izay nataoko tamin'ny Egyptiana sy izay nitondrako anareo tamin'ny elatry ny voromahery ary ny nampankanesako anareo ho aty amiko. Koa ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa hianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra hianareo; fa Ahy ny tany rehetra. Dia ho fanjaka-mpisorona sy ho firenena masina ho Ahy hianareo." - Eks. 19:4-6

Notarihin'Andriamanitra hankaiza ny zanak'lsiraely taorian'ny nanafahany azy ireo avy tany Egypta? Ho any amin'ny tany Nampanantenaina - ho aiza moa ankoatra izany? Na dia marina aza izany valinteny izany eo amin'ny lafiny ara-jeografia, dia diso kosa izany raha ny teolojia no jerena. Andriamanitra mihitsy no namaly izany toy izao: "Hianareo efa nahita izay nataoko tamin'ny Egyptiana sy izay nitondrako anareo tamin'ny elatry ny voromahery ary ny nampankanesako anareo ho aty amiko." - Eks. 19:4. Araka izany, ny valinteny ara-Baiboly sy ara-teolojia ho an'izany fanontaniana izany dia maneho ny laharam-pahamehan'Andriamanitra sy ny tanjony: notarihin'Andriamanitra hankeo Aminy izy ireo.

Mitady ny olombelona Andriamanitra ary miantso azy ireo hiverina Aminy rehefa manalavitra Azy izy ireo. Tao amin'ny saha Edena no ohatra tsara indrindra maneho izany fahamarinana lalina izany, rehefa nanota tamin'i Jehôvah i Adama sy i Eva ka tsy nankatò ny baikony ary niafina tsy ho hitany  ary niantso hoe: "Aiza moa hianao?" Andriamanitra no nanao dingana voalohany - Gen. 3:9. Manao dingana voalohany mandrakariva Izy. Izao no fanambarana nataon'i Jesôsy : "Mankanesa aty amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an'ny fanahinareo hianareo." - Mat. 11:28,29.

Miantso antsika rehetra Andriamanitra, ary miankina amin'izay avalintsika ny anjarantsika mandrakizay.

*Famerenana ny lesona ny sabata 23 Aogositra.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal