Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Miomana handray fanomezana.

Daty
Alatsinainy 18 August 2025

MIOMANA HANDRAY FANOMEZANA

Vakio ny Eks. 19:9-25. Ahoana no nanomanan'Andriamanitra ny Isiraely handray ny Didy folo?

Nanome torolalana manokana ny amin'izay tokony hataon'ny Isiraelita Andriamanitra, ho fiomanan'izy ireo ho amin'ny fanomezana ny lalana ao Sinay. Nasainy nasehony tamin'ny fahadiovany ivelany ny fanokanan-tenany manontolo ho an'Andriamanitra. Nasaina nivonona ho amin'ny fisehoana mahatalanjon'ny voninahitr'i Jehôvah izy ireo. Ary rehefa niseho izany, dia narahin'ny "kotrokorana sy helatra ary rahona matevina teo amin'ny tendrombohitra, ary nisy feon'anjomara mafy indrindra, dia toran-kovitra ny olona rehetra izay teo an-toby." - Eks. 19:16.

Ny Didy folo no fon'ny fanambarana momba an'Andriamanitra sy ny fitsipi-pitondrantena ara-Baiboly. Izany no mandrafitra ny fitsipiky ny lanitra ho an'ny taranak'olombelona rehetra no sady fanorenan'izany; mandrakizay ary mahafaoka an'izao rehetra izao ny fitsipiny.

Andriamanitra no nanambara ireo didy folo, araka ny fitantaran'ny Baiboly (Eks. 19:19; Eks. 20:1; Deo. 5:4, 5, 24), ary Izy koa no nanoratra izany (Eks. 24:12; Eks. 31:18; Deo. 5:22). Indroa izany no natolotra an'i Mosesy ho fanomezana manokana (Eks. 32:19; Eks. 34:1; Deo. 10:1,2).

Antsoina hoe "Vavolombelona" ny didy folo ao amin'ny bokin'ny Eksodosy (Hebreo: 'edut, Eks. 31:18), ary nantsoina koa hoe "tenin'ny fanekena" (Hebreo: dibre habberit; Eks. 34:28). Ao amin'ny bokin'ny Deoteronomia, dia voasoratra eo amin'ny "vato fisaka izay nisy ny fanekena" izany (Deo. 9:9, 11, 15). Tsy misy boky amin'ny fiteny hebreo mampiasa ny teny hoe "Didy folo" (Hebreo: mitzwot, "didy"), fa intelo kosa no iantsoan'izy ireo izany amin'ny anarana hoe: "Teny folo". 'Aseret haddebarim no teny hebreo ilazana izany, avy amin'ny hoe dabar, izay midika hoe: "teny, fehezanteny, toe-javatra, zavatra, lahateny, tantara, fampanantenana" (jereo ny Eks. 34:28; Deo. 4:13; Deo. 10:4).

Misy roa ny fitanisana ny didy folo ary kely monja ny fahasamihafana hita ao amin'izany: voarakitra ao amin'ny Eks. 20:1-17 ny voalohany ary ao amin'ny Deo. 21:3-21 kosa ny faharoa. Notaterin'i Mosesy am-bava tamin'ny Isiraely ny faharoa, efapolo taona teo ho eo taorian'ny nanomezana izany tao Sinay, nialoha indrindra ny nidiran'ny olona tao amin'ilay Tany Nampanantenaina (Deo. 1:3,4; Deo. 4:44-47). Ireo toe-javatra ireo no manazava ny fisian'ny fahasamihafana kely eo amin'ireo fitanisana roa ny didy folo ireo.

Namerina ny teny ao amin'ny didy folo i Paoly rehefa namintina ny lalana amin'ny teny hoe "fitiavana" (Rôm. 13:8-10). Ny fitiavana tokoa no mamintina ny lalan’Andriamanitra noho ny maha-Andriamanitra fitiavana Azy (1 Jao. 4:16).

Takatrao ve ny maha-fanehoana ny fitiavan’Andriamanitra ny didy folo? Inona no hevitr'izany? Fomba ahoana no anehoana ny fitiavan’Andriamanitra ao amin'ny didy folo?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal