Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Miomana handray fanomezana.

Daty
Alatsinainy 18 August 2025

MIOMANA HANDRAY FANOMEZANA

Vakio ny Eks. 19:9-25. Ahoana no nanomanan'Andriamanitra ny Isiraely handray ny Didy folo?

Nanome torolalana manokana ny amin'izay tokony hataon'ny Isiraelita Andriamanitra, ho fiomanan'izy ireo ho amin'ny fanomezana ny lalana ao Sinay. Nasainy nasehony tamin'ny fahadiovany ivelany ny fanokanan-tenany manontolo ho an'Andriamanitra. Nasaina nivonona ho amin'ny fisehoana mahatalanjon'ny voninahitr'i Jehôvah izy ireo. Ary rehefa niseho izany, dia narahin'ny "kotrokorana sy helatra ary rahona matevina teo amin'ny tendrombohitra, ary nisy feon'anjomara mafy indrindra, dia toran-kovitra ny olona rehetra izay teo an-toby." - Eks. 19:16.

Ny Didy folo no fon'ny fanambarana momba an'Andriamanitra sy ny fitsipi-pitondrantena ara-Baiboly. Izany no mandrafitra ny fitsipiky ny lanitra ho an'ny taranak'olombelona rehetra no sady fanorenan'izany; mandrakizay ary mahafaoka an'izao rehetra izao ny fitsipiny.

Andriamanitra no nanambara ireo didy folo, araka ny fitantaran'ny Baiboly (Eks. 19:19; Eks. 20:1; Deo. 5:4, 5, 24), ary Izy koa no nanoratra izany (Eks. 24:12; Eks. 31:18; Deo. 5:22). Indroa izany no natolotra an'i Mosesy ho fanomezana manokana (Eks. 32:19; Eks. 34:1; Deo. 10:1,2).

Antsoina hoe "Vavolombelona" ny didy folo ao amin'ny bokin'ny Eksodosy (Hebreo: 'edut, Eks. 31:18), ary nantsoina koa hoe "tenin'ny fanekena" (Hebreo: dibre habberit; Eks. 34:28). Ao amin'ny bokin'ny Deoteronomia, dia voasoratra eo amin'ny "vato fisaka izay nisy ny fanekena" izany (Deo. 9:9, 11, 15). Tsy misy boky amin'ny fiteny hebreo mampiasa ny teny hoe "Didy folo" (Hebreo: mitzwot, "didy"), fa intelo kosa no iantsoan'izy ireo izany amin'ny anarana hoe: "Teny folo". 'Aseret haddebarim no teny hebreo ilazana izany, avy amin'ny hoe dabar, izay midika hoe: "teny, fehezanteny, toe-javatra, zavatra, lahateny, tantara, fampanantenana" (jereo ny Eks. 34:28; Deo. 4:13; Deo. 10:4).

Misy roa ny fitanisana ny didy folo ary kely monja ny fahasamihafana hita ao amin'izany: voarakitra ao amin'ny Eks. 20:1-17 ny voalohany ary ao amin'ny Deo. 21:3-21 kosa ny faharoa. Notaterin'i Mosesy am-bava tamin'ny Isiraely ny faharoa, efapolo taona teo ho eo taorian'ny nanomezana izany tao Sinay, nialoha indrindra ny nidiran'ny olona tao amin'ilay Tany Nampanantenaina (Deo. 1:3,4; Deo. 4:44-47). Ireo toe-javatra ireo no manazava ny fisian'ny fahasamihafana kely eo amin'ireo fitanisana roa ny didy folo ireo.

Namerina ny teny ao amin'ny didy folo i Paoly rehefa namintina ny lalana amin'ny teny hoe "fitiavana" (Rôm. 13:8-10). Ny fitiavana tokoa no mamintina ny lalan’Andriamanitra noho ny maha-Andriamanitra fitiavana Azy (1 Jao. 4:16).

Takatrao ve ny maha-fanehoana ny fitiavan’Andriamanitra ny didy folo? Inona no hevitr'izany? Fomba ahoana no anehoana ny fitiavan’Andriamanitra ao amin'ny didy folo?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal