Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny didy folo, fanomezana.

Daty
Talata 19 August 2025

NY DIDY FOLO, FANOMEZANA

Vakio ny Eks. 20:1-17. Inona avy ireo fitsipiky ny didy folo, ary ahoana no nandaminana ny firafitr'izany?

Mariho fa tsy miantomboka amin'ny fandidiana ny didy folo fa amin'ny asa feno fahasoavana ataon'Andriamanitra amin'ny vahoakany: "Izaho no Jehôvah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana." Eks. 20:2. Nasehon'ny Tompo aloha ny Fahasoavany tamin'ny nanomezany fahafahana sy famonjena ny Isiraely, ary taorian'izay vao nampahafantariny ny sitrapony. Amin'ny fitiavana sy ny fankasitrahana ny zavatra nataon'Andriamanitra ho azy ireo no tokony nitandremany ireo didy ireo.

"Fitiavana" no teny manan-danja amintinan'Andriamanitra ny didy folo (Rôm. 13:10). Ny didy momba ny fitiavana no lehibe indrindra, izay aseho amin'ny fomba anankiroa: ny fitiavana an'Andriamanitra (Deo. 6:5) ary ny fitiavana ny namana (Lev. 19:18).

Hazavain'ny didy folo ao amin'ireo didy efatra voalohany ny hevitry ny fitiavana an'Andriamanitra. Ao amin'ny didy enina manaraka kosa no anazavan'ny lalàna ny hevitry ny hoe mitia ny namana. Miantomboka amin'ny fanajana an'Andriamanitra ambonin'ny zavatra rehetra ny didy folo (fitiavana mijidina), ary mitohy amin'ny fanajana ny hafa (fitiavana marindrano):

  1. Fanajana sy fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra amin'ny fanomezana Azy ny toerana voalohany sy ambony indrindra eo amin'ny toe-javatra rehetra eo amin'ny fiainantsika (didy voalohany);
  2. Fanajana sy fiarovana ny toerana tsy manam-paharoa ananan'Andriamanitra ary koa tsy fanoloana Azy amin'ny sampy amin'ny endriny rehetra (na ara-materialy, na ara-tandindona na koa ara-panahy). An'i Jehôvah ny fitiavantsika madio indrindra (didy faharoa);
  3. Fanajana feno ny anaran'Andriamanitra - ny hajany sy ny toetrany (didy fahatelo);
  4. Fanajana ny andro fitsaharan'Andriamanitra sy fiankohofana Aminy - ny Sabata (didy fahefatra);
  5. Fanajana ny ray aman-dreny (didy fahadimy);
  6. Fanajana ny aina (didy fahenina);
  7. Fanajana ny fanambadiana (didy fahafito);
  8. Fanajana ny fananan'ny hafa (didy fahavalo);
  9. Fitandroana ny hajan'ny hafa (didy fahasivy) ary
  10. Fanajana ny tena mba tsy hisian'ny faniriana feno fitiavan-tena hanimba ny toetrantsika (didy fahafolo).

I Jesôsy mihitsy no nanambara izao: "Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko." - Jao. 14:15; jereo koa ny 1 Jao. 4:20,21. Araka izany, ny tena fankatoavana dia tsy inona fa fanehoana fitiavana sy fankasitrahana amin'i Jesôsy , fitiavana izay miseho amin'ny fomba miezinezina indrindra amin'ny fomba fitondrantsika ny namantsika.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana
Sun 07 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fanoloran-tena
Mon 08 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fiampangana
Tue 09 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Mbola mibahana ao an-tsaina ny lasa
Wed 10 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famaliana Mora
Thu 11 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famahana ny fifandirana
Fri 12 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fianarana fanampiny
Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny
Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO!: Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal