Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny lalàna, teny fikasan’Andriamanitra ho antsika.

Daty
Alakamisy 21 August 2025

NY LALANA, TENY FIKASAN' ANDRIAMANITRA HO ANTSIKA

Vakio ny Rom. 3:20-24. Na dia mazava aza ny ambaran'i Paoly ta tsy azo vonjena avy amin'ny fitandremana ny didy folo isika, ahoana àry ny tokony ho anjara asan'ny lalana eo amin'ny fiainantsika?

Tsy midika ara-bakiteny hoe "didy" fa "teny" ny teny hebreo dabarim izay ampiasaina ao amin'ny lahatsoratr'i Mosesy hoenti-manondro ny didy folo (Eks. 34:28; Deo. 4:13; Deo. 10:4). lo "teny" io, dabar (manondro zavatra tokana) dia mety hanana ny hevitry ny hoe "fampanantenana". Izany no antony andikana ny teny hoe dabar amin'ny anarana na matoanteny maneho ny hevitry ny "teny fikasana", any amin'ny boky maro ao amin'ny Baiboly (1 Mpanj. 8:56; 2 Tant. 1:9; Neh. 5:12, 13; Deo. 1:11; Deo. 6:3; Deo. 9:28; Jos. 9:21; Jos. 22:4; Jos. 23:5).

Manome fanazavana mikasika ny asan'ny didy folo i Ellen G. White: "Ny didy folo dia (...) teny fikasana folo." - SDABC, b. 1, 1. 1105. Tokony ho takatsika fa ny didy folo dia teny fikasana avy amin'Andriamanitra izay hitarika antsika eo amin'ny lala-marina mba hahafahany manao zava-mahatalanjona ho antsika. Tsy maintsy mankato ireny anefa isika.

Vakio ny Rôm. 10:4. Ahoana no tokony handraisantsika ny fanambaran'i Paoly izay manondro an'i Kristy ho "faran'ny lalana"?

Ambaran'i Paoly fa i Jesôsy Kristy no telos an'ny lalana; tsy midika izany fa manafoana ny lalana i Kristy na koa manao ny lalana ho tsinontsinona. Tsy izany, fa i Kristy no tanjona sy zava-kendren'ny lalana; tsy manafoana ny lanjan'ny lalana sy ny maha-manan-kery azy tsy akory ny sorona nataony ho fanavotana.

Miresaka momba ny lanjan'ny lalana i Paoly etsy ankilan'izany; ambarany fa manan-kery ny lalana ary manana fahefana mandrakizay (Rôm. 3:31, 1 Kôr. 7:19; Gal. 5:6). Tsy mifandraika amin'ny fotoana tsy akory ny hevitry ny teny hoe telos fa mifandraika amin'ny tanjona sy ny idealy. I Kristy no fanalahidy mahavaha ny tena hevitry ny lalàn'Andriamanitra sy ny tanjonizany. Araka izany, dia diso ny filazana fa nanaisotra ny fananan-kerin'ny lalana sy nanolo na koa nanafoana azy i Kristy. Izy no tanjon'ny lalana, Ilay iray izay tondroin'izany.

Ahoana no ampitodihan'ny lalana antsika amin'l Jesôsy ? Izany hoe, Inona no ambaran'ny lalàna amintsika momba ny tenantsika ka mahatonga antsika hankeo Aminy?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal