Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 9: ILAY FIFANANDRINANA LEHIBE - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 28 February 2025

Vakio ny HM, toko 29: "Ny niavian'ny ratsy".

"Tsy misy ampianarin'ny Soratra Masina mazava kokoa noho ny tsy maha-tompon’andraikitra an’Andriamanitra tamin'ny nidiran'ny fahotana; ampianariny fa tsy hoe nosintonin'Andriamanitra an-keriny ny fahasoavany, na nisy lesoka teo amin'ny fitondran’Andriamanitra ny fanjakany, izay nety nohararaotin'ny fikomiana. Tonga tsy nasaina ny fahotana, ary tsy misy azo anamarinana ny fisiany. Zava-miafina ny amin'izany ka tsy hay hazavaina. Raha misy fialan-tsiny mety ho hita ny aminy, na antony mety manazava ny fisiany, dia tsy ho fahotana intsony ny fahotana. (...) Raha nolevonina tsy hisy avy hatrany izy [i Satana], dia ho nanompo an'Andriamanitra noho ny tahotra ireny [ny mponin'ny lanitra] fa tsy noho ny fitiavana. Tsy ho rava tanteraka ny hery miasa mangina avy amin'ilay mpamitaka na ho fongotra hatramin'ny fakany ny toe-tsaina mikomy; tsy maintsy navela ho tonga amin'ny fahamasahany ny ratsy. Mba hahasoa izao rehetra izao manontolo ary mandritra ny mandrakizay, dia tsy maintsy hovelarin'i Satana misimisy kokoa ireo foto-keviny ka ho hitan'ny voahary rehetra araka ny tena izy ny fiampangany ny fitondran'Andriamanitra sy ny fanjakany, ary tsy hisy hisalasala na oviana na oviana intsony ny amin'ny fahamarinana sy ny famindrampon’Andriamanitra ary ny tsy fiovan'ny lalàny." - HM, tt. 509,510,515,516.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Maro no mametra-panontaniana hoe: ahoana no nahatonga ny voary iray tsy manan-tsiny toa an'i Losifera hanota tamin'ny voalohany? Nahoana ny ota no "zava-miafina" sy "tsy hay hazavaina"? Ahoana no azo anazavana io fahotana voalohany io kanefa tsy manala tsiny na manamarina izany? Izany hoe, nahoana no mitovy amin'ny manamarina ny fahotana ihany ny manazava ny niaviany?

2. Nahoana no tsy nolevonin'Andriamanitra fotsiny i Satana mba tsy hisy intsony? Nahoana no "tsy maintsy navela ho tonga amin'ny fahamasahany ny ratsy"? Ahoana no mahatonga izany "hahasoa izao rehetra izao manontolo ary mandritra ny mandrakizay"?

3. Nahoana no zava-dehibe tokoa ny mahatakatra fa ny ady ifanaovan'Andriamanitra sy i Satana dia tsy resaka hery na tanjaka, fa karazany hafa? Tsy mahakasika ny fananan-kery io fifanandrinana io fa mahakasika ny toetra kosa; ahoana no mampitombina izany?

4. Raha takatrao ny toetran'ilay fifanandrinana lehibe dia ho hitanao fa ny fiainanao dia isehoan'izany fifanandrinana izany amin'ny endrika kely kokoa; amin'ny fomba ahoana? Ahoana no ahatsapanao ny maha-zava- misy io ady io na dia izao ankehitriny izao aza? Ahoana no tokony ho fihetsikao mba hanehoanao hoe miandany amin'iza marina ianao?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana
Sun 07 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fanoloran-tena
Mon 08 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fiampangana
Tue 09 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Mbola mibahana ao an-tsaina ny lasa
Wed 10 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famaliana Mora
Thu 11 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famahana ny fifandirana
Fri 12 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fianarana fanampiny
Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny
Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO!: Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal