Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 9: ILAY FIFANANDRINANA LEHIBE - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 28 February 2025

Vakio ny HM, toko 29: "Ny niavian'ny ratsy".

"Tsy misy ampianarin'ny Soratra Masina mazava kokoa noho ny tsy maha-tompon’andraikitra an’Andriamanitra tamin'ny nidiran'ny fahotana; ampianariny fa tsy hoe nosintonin'Andriamanitra an-keriny ny fahasoavany, na nisy lesoka teo amin'ny fitondran’Andriamanitra ny fanjakany, izay nety nohararaotin'ny fikomiana. Tonga tsy nasaina ny fahotana, ary tsy misy azo anamarinana ny fisiany. Zava-miafina ny amin'izany ka tsy hay hazavaina. Raha misy fialan-tsiny mety ho hita ny aminy, na antony mety manazava ny fisiany, dia tsy ho fahotana intsony ny fahotana. (...) Raha nolevonina tsy hisy avy hatrany izy [i Satana], dia ho nanompo an'Andriamanitra noho ny tahotra ireny [ny mponin'ny lanitra] fa tsy noho ny fitiavana. Tsy ho rava tanteraka ny hery miasa mangina avy amin'ilay mpamitaka na ho fongotra hatramin'ny fakany ny toe-tsaina mikomy; tsy maintsy navela ho tonga amin'ny fahamasahany ny ratsy. Mba hahasoa izao rehetra izao manontolo ary mandritra ny mandrakizay, dia tsy maintsy hovelarin'i Satana misimisy kokoa ireo foto-keviny ka ho hitan'ny voahary rehetra araka ny tena izy ny fiampangany ny fitondran'Andriamanitra sy ny fanjakany, ary tsy hisy hisalasala na oviana na oviana intsony ny amin'ny fahamarinana sy ny famindrampon’Andriamanitra ary ny tsy fiovan'ny lalàny." - HM, tt. 509,510,515,516.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Maro no mametra-panontaniana hoe: ahoana no nahatonga ny voary iray tsy manan-tsiny toa an'i Losifera hanota tamin'ny voalohany? Nahoana ny ota no "zava-miafina" sy "tsy hay hazavaina"? Ahoana no azo anazavana io fahotana voalohany io kanefa tsy manala tsiny na manamarina izany? Izany hoe, nahoana no mitovy amin'ny manamarina ny fahotana ihany ny manazava ny niaviany?

2. Nahoana no tsy nolevonin'Andriamanitra fotsiny i Satana mba tsy hisy intsony? Nahoana no "tsy maintsy navela ho tonga amin'ny fahamasahany ny ratsy"? Ahoana no mahatonga izany "hahasoa izao rehetra izao manontolo ary mandritra ny mandrakizay"?

3. Nahoana no zava-dehibe tokoa ny mahatakatra fa ny ady ifanaovan'Andriamanitra sy i Satana dia tsy resaka hery na tanjaka, fa karazany hafa? Tsy mahakasika ny fananan-kery io fifanandrinana io fa mahakasika ny toetra kosa; ahoana no mampitombina izany?

4. Raha takatrao ny toetran'ilay fifanandrinana lehibe dia ho hitanao fa ny fiainanao dia isehoan'izany fifanandrinana izany amin'ny endrika kely kokoa; amin'ny fomba ahoana? Ahoana no ahatsapanao ny maha-zava- misy io ady io na dia izao ankehitriny izao aza? Ahoana no tokony ho fihetsikao mba hanehoanao hoe miandany amin'iza marina ianao?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal