Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 9: ILAY FIFANANDRINANA LEHIBE - Ny niandohan’ny ady tany an-danitra.

Daty
Talata 25 February 2025

Ny Gen. 1-3 ihany no mampiseho fa nisy talohan'ny fahalavoan'i Adama sy i Eva ny ratsy. Efa nisy ny ratsy, araka ilay anarana hoe: "hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy" ao amin'ny Gen. 2:9,17. Avy eo dia nanameloka an'Andriamanitra ho mandainga ilay menarana, kanefa raha ny marina dia ny tenany no mpandainga. Ny fisian'io menarana io (Apôk. 12:9) sy ny laingany dia mampiseho ny maha-zava-misy ny ratsy tamin'io fotoana io. Araka izany dia hita ny fanatrehan'ny ratsy na dia tao Edena talohan'ny Fahalavoana aza.

Vakio ny Ezek. 28:12-19 sy ny Eks. 25:19,20. Manao ahoana ny toetr'io anjely lavo io?

Araka ny voalazan'ireo andininy ireo dia tany an-danitra no niandohan'ny ratsy sy ilay fifanandrinana lehibe.

Kerobima manaloka ilay voary, izay nanjary nantsoina hoe Satana, talohan'ny nahalavoany. Ankoatra ny maha-kerobima azy dia voalaza koa fa "ilay mahatanteraka ny rafitra tsara tarehy tonga marika sady feno fahendrena no tena tsara tarehy" izy, ary efa "tany Edena, sahan'Andriamanitra" - Ezek. 28:12,13. Tsy misy amin'izany teny izany azo ilazana ny mpanjakan'ny Tyro (na olombelona iza na iza). Noho izany, fantatsika fa topy maso ny amin'ny fahalavoan'i Losifera no omena antsika eto.

Vakio ny Isa. 14:12-15. Inona ny fanazavana fanampiny omena eto momba ny niandohan'ilay fifanandrinana lehibe?

Araka ny Isa. 14 dia nanapa-kevitra ny hanandra-tena sy hanao ny tenany ho tahaka an'Andriamanitra i Losifera. Mifameno amin'izay hitantsika tao amin'ny Ezek. 28 io andininy io, hoe: "Niavonavona ny fonao noho ny hatsaran-tarehinao" - Ezek. 28:17. Tokony ho nahatonga azy hanome voninahitra Ilay Andriamanitra nanao azy ho tsara tarehy izany, kanjo nanjary nirehareha kosa izy. Ratsy noho izany aza, tao anatin'ny avonavony dia nikasa haka ny toeran'Andriamanitra sy haniratsira Azy izy. Ny teny hebreo nadika hoe "varotra" ao amin'ny Ezek. 28:16 dia midika koa hoe "fanendrikendrehana", izay manondro ny fomba fiadin'i Satana amin'Andriamanitra sy amintsika koa.

Ahoana no fahazoantsika ny hoe: "Tsy nanan-tsiny i Losifera tamin'ny nalehany hatramin'ny andro namoronana azy ka mandra-pahita heloka tao aminy" (Ezek. 28:15)? Ahoana no mety hahalavo ny voary Iray tonga lafatra raha tsy ao anatin'ny atao hoe "tonga lafatra" ny fahafaha-misafidy marina?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal