Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.

Daty
Alahady 10 August 2025

IREO LALÀN'NY FANEKENA

Rehefa nanome ny lalàny tao Sinay Andriamanitra, dia nametraka fototra mba hampianarana ny vahoakany mikasika ny fomba mety hananan'izy ireo fiainana masina amin'ny alalan'ny fifandraisana Aminy. Kanefa natao hampiharina teo amin'ny fiainana andavanandro ireo fitsipiky ny lalàna, koa nanome lalana fanampiny azy ireo Andriamanitra, ilay antsoina hoe "Bokin'ny lalana". Anjaran'ny mpitsara ny miandraikitra sy manara-maso ny fampiharana ireo lalàna ireo araka ny tokony ho izy.

"Tsy vonona hankamamy ireo fitsipika feno hevi-dalina voaafina ao amin'ireo didy folon'ny lalan'Andriamanitra akory i Isiraely, fa efa donto sy simban'ny fanandevozana elabe sy ny fifampikasohana tamin'ny fanompoan-tsampy ny sainy. Nomen'Andriamanitra didy fanampiny hoenti-manazava ny hevitra raketiny sy ny fanatanterahana izany izy mba hanampy azy hahafantatra bebe kokoa ny toetrany sy ny fitandremana izany. Nantsoina hoe 'Bokin'ny lalåna' ireny didy fanampiny ireny matetika, satria voalohany, nodinihina tamim-pahendrena sy fahamarinana fatratra izy ireny, faharoan'izany, raha hamoaka didy ny mpitsara, dia tsy maintsy mijery azy. Nisaraka tamin'ny didy folo izy ireny, ka i Mosesy no nampita azy tamin'ny olona." - PM, ed. 1985, t. 296.

Vakio ny Eks. 21:1-32. Inona avy ireo fitsipika manokana nomena momba ireo andevo Hebreo, ny vonoan'olona, ary ny ratra ara-batana?

Toko maromaro no manoritsoritra izay voalaza ao amin'ny Bokin'ny lalana (Eks. 21:1-23:19). Navoaka ireo didy amam-pitsipika rehetra ireo mba hampitsaharana ny fihanaky ny faharatsiana sy hampirindra ny fiarahamonina.

Miavaka tokoa ireo lalàna momba ny fanandevozana ary tsy tokony hafangaro amin'ny fanao ratsy sy feno halozana araka ny fanandevozana moderina na tamin'ny Vanim-potoana Antenantenany. Ny andevo Hebreo dia tena narovana sy nomen-danja. Teo amin'ny fiaraha-monina moderina sy tamin'ny Vanim-potoana Antenantenany, ny mpanompo sy ny andevo dia fananan'ny tompony, izay afaka nanao izay tiany tamin'izy ireo. Tsy mba toy izany kosa ny lalana ara-Baiboly. Voafetra ho enin-taona ny fanompoana (Eks. 21:1,2; Jer. 34:8-22), ary ny taona fahafito dia tsy maintsy nafahana ny andevo rehetra raha tsy hoe angaha te hijanona miaraka amin'ny tompony izy. Tsy maintsy nanome azy ireo Sabata tsy hiasana koa ny tompony (Eks. 20:9,10), ary nanome azy ireo zavatra fototra ilainy amin'ny fiainana.

Na dia efa nofoanana ara-dalana aza ny fanao ratsy amin'ny fanandevozana any amin'ny ankamaroan'ny firenena eto amin'izao tontolo izao, dia inona avy ireo fomba ratsy sasany mbola misy hatrany mandraka ankehitriny, ary inona no azontsika atao eo amin'ny faritra misy antsika, mba hiadiana amin'izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal