Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.

Daty
Alarobia 27 August 2025

MASO SOLON'NY MASO

Vakio ny Mat. 5:38-48. Ahoana no anazavan'i Jesôsy ny hevitry ny lalana momba ny famaliana? Ahoana no tokony hampiharantsika izany ankehitriny?

Nanonona andininy avy ao amin'ny Testamenta Taloha i Jesôsy Kristy nandritra ny toriteniny teo an-tendrombohitra, andinin-tSoratra izay diso fantatry ny olona. Kanefa niteny nanohitra ny fanazavan'ireo raby tamin' izany andro izany Izy, izay niala miandalana tamin'ny tanjona voalohan'ireo lalana ireo, tao anatin'ny taonjato maro. Izany hoe, nanafina ny zava-nokendren'ny Tenin'Andriamanitra ny lovantsofin'olombelona, ary tsy vitan'ïzany fa naolany koa ny heviny sy ny tiany ambara tamin'ny tranga sasany (saino ohatra ireo fitsipika momba ny Sabata sy ny vokatr'izany teo amin'ny fitandremana ilay didy). Namerina tamin'ny laoniny ny hevitr'ireny lalana ireny ny tenin'i Jesôsy .

Tamin'ilay toriteniny teo an-tendrombohitra dia niezaka nanitsy ny sasany tamin'ireo fandikana diso ireo i Jesôsy, ka notaominy ny mpihaino Azy hiverina amin'ny tanjona sy ny hevitr'ireo lahatsoratra ireo tany am-piandohana.

Nolazaina ao amin'ny Mat. 5:38 ilay andininy ao amin'ny Eks. 21:24 izay miresaka momba ny "maso solon'ny maso, nify solon'ny nify" ("Efa renareo fa voalaza hoe (...) Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe (...)"), ary io no manondro ny lex talionis, na ilay antsoina hoe lalana momba ny famaliana. Ampiasaina any amin'ny andininy hafa ao amin'ny Baiboly koa io andininy io (Lev. 24:20, Deo. 19:21).

Ny tanjon'io lalana io tany am-boalohany dia ny mba tsy hisian'ny valifaty ataon'ny tena manokana. Natao hampitsahatra ny adim-poko na ny famaliana tsy misy fanadihadiana mialoha izany. Ny ratra dia tsy maintsy notombanan'ny mpitsara, ary avy eo dia misy onitra ara-bola mifanaraka amin'izany asainy aloa. Natao izany mba hialana amin'ilay atao hoe fitsaram-bahoaka". Natao ampanjakaina ny rariny, saingy tsy maintsy araka ny lalan'Andriamanitra izany.

I Jesôsy Kristy, Izay nanome ireo lalàn'ny fiarahamonina ireo an'i Mosesy, dia nahalala tsara ny tanjon'izany lalana izany; koa afaka nampihatra izany tamin'ny fomba tsy mitanila Izy, araka ny tanjony tany am-boalohany. Ny hisian'ny rariny sy ny fampihavanana ary ny hamerenana ny fiadanana no anton'izany.

Amin'ny lafiny iray, azo lazaina fa midika ho karazana famaliana ihany ny fampanjakana ny rariny. Ny fampiharana araka ny tokony ho izy ireo lalana ireo dia hita ho fiezahana hampisy fifandanjana eo amin'ny atao hoe rariny sy ny atao hoe famaliana na valifaty.

Hanjaka tokoa ny rariny indray andro any. Ahoana no anampian'ny fahafantarantsika izany hiatrika ny tsy rariny rehetra misy eto amin'izao tontolo izao ankehitriny?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana
Sun 07 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fanoloran-tena
Mon 08 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fiampangana
Tue 09 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Mbola mibahana ao an-tsaina ny lasa
Wed 10 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famaliana Mora
Thu 11 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famahana ny fifandirana
Fri 12 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fianarana fanampiny
Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal