Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.

Daty
Alarobia 27 August 2025

MASO SOLON'NY MASO

Vakio ny Mat. 5:38-48. Ahoana no anazavan'i Jesôsy ny hevitry ny lalana momba ny famaliana? Ahoana no tokony hampiharantsika izany ankehitriny?

Nanonona andininy avy ao amin'ny Testamenta Taloha i Jesôsy Kristy nandritra ny toriteniny teo an-tendrombohitra, andinin-tSoratra izay diso fantatry ny olona. Kanefa niteny nanohitra ny fanazavan'ireo raby tamin' izany andro izany Izy, izay niala miandalana tamin'ny tanjona voalohan'ireo lalana ireo, tao anatin'ny taonjato maro. Izany hoe, nanafina ny zava-nokendren'ny Tenin'Andriamanitra ny lovantsofin'olombelona, ary tsy vitan'ïzany fa naolany koa ny heviny sy ny tiany ambara tamin'ny tranga sasany (saino ohatra ireo fitsipika momba ny Sabata sy ny vokatr'izany teo amin'ny fitandremana ilay didy). Namerina tamin'ny laoniny ny hevitr'ireny lalana ireny ny tenin'i Jesôsy .

Tamin'ilay toriteniny teo an-tendrombohitra dia niezaka nanitsy ny sasany tamin'ireo fandikana diso ireo i Jesôsy, ka notaominy ny mpihaino Azy hiverina amin'ny tanjona sy ny hevitr'ireo lahatsoratra ireo tany am-piandohana.

Nolazaina ao amin'ny Mat. 5:38 ilay andininy ao amin'ny Eks. 21:24 izay miresaka momba ny "maso solon'ny maso, nify solon'ny nify" ("Efa renareo fa voalaza hoe (...) Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe (...)"), ary io no manondro ny lex talionis, na ilay antsoina hoe lalana momba ny famaliana. Ampiasaina any amin'ny andininy hafa ao amin'ny Baiboly koa io andininy io (Lev. 24:20, Deo. 19:21).

Ny tanjon'io lalana io tany am-boalohany dia ny mba tsy hisian'ny valifaty ataon'ny tena manokana. Natao hampitsahatra ny adim-poko na ny famaliana tsy misy fanadihadiana mialoha izany. Ny ratra dia tsy maintsy notombanan'ny mpitsara, ary avy eo dia misy onitra ara-bola mifanaraka amin'izany asainy aloa. Natao izany mba hialana amin'ilay atao hoe fitsaram-bahoaka". Natao ampanjakaina ny rariny, saingy tsy maintsy araka ny lalan'Andriamanitra izany.

I Jesôsy Kristy, Izay nanome ireo lalàn'ny fiarahamonina ireo an'i Mosesy, dia nahalala tsara ny tanjon'izany lalana izany; koa afaka nampihatra izany tamin'ny fomba tsy mitanila Izy, araka ny tanjony tany am-boalohany. Ny hisian'ny rariny sy ny fampihavanana ary ny hamerenana ny fiadanana no anton'izany.

Amin'ny lafiny iray, azo lazaina fa midika ho karazana famaliana ihany ny fampanjakana ny rariny. Ny fampiharana araka ny tokony ho izy ireo lalana ireo dia hita ho fiezahana hampisy fifandanjana eo amin'ny atao hoe rariny sy ny atao hoe famaliana na valifaty.

Hanjaka tokoa ny rariny indray andro any. Ahoana no anampian'ny fahafantarantsika izany hiatrika ny tsy rariny rehetra misy eto amin'izao tontolo izao ankehitriny?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal