Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.

Daty
Alakamisy 28 August 2025

VALIFATY

"Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo lalana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah." - Rôm. 12:19 (jereo koa ny Deo. 32:35).

Inona no teny fikasana sy baiko hita ao amin'ireo andininy ireo, ary ahoana no mahatonga azy ireo hifandray ety?

Mandra-pitondran'ny Tompo ny rariny, izay tsy mbola misy ankehitriny, dia adidin'ny mpitsara tany Isiraely fahiny ny nampihatra ny lalana sy ny namaritra ny sazy ara-drariny mifanaraka amin'ny fahavoazana na ratra nitranga. Saingy nilain'izy ireo aloha ny niaiky ny zava-nisy. Ny olana tamin'ny andron'i Kristy dia izao: nanome vahana ny valifaty ny fomba nampiharan'ireo mpampiana-dalana io lalana io. Nesorin'izy 'izy ireo tsy ho ao amin'ny tontolon-keviny ilay fitsipika, ary very ny tanjona voalohany. Vokatr'izany, nanjary izay voararan'ny lalåna indray no tena narovan'izy ireo.

Vakio ny Mat. 6:4,6; Mat. 16:27; Lio. 6:23; ary ny 2 Tim. 4:8. Inona no lazain'ireo andininy ireo amintsika momba ny fomba fijerin'i Jesôsy ireo fitsipika momba ny valisoa sy ny famalzana?

Tsy nanohitra ny fitsipiky ny valisoa sy ny famaizana i Jesôsy . Ny rariny dia mifandraika amin'ny fanarahana fitsipika; ampahany manan-danja amin'ny fiainana izany. Kanefa tsy misy olona tokony haka ny toeran'ny mpitsara na ny "mpamono olona", araka ny fiheverany ny rariny. Mora amintsika tokoa ny mamadika ny rariny! Tsy anjarantsika ny mamaly ny ratsy. Raha misy ratsy tokony hovaliana, dia tsy maintsy atao amin'ny alalan'ny fitsarana tsy miangatra izany; izany no asan'ny mpitsara.

Izao no lazain'i Jesôsy amintsika ao anatin'izany tontolon-kevitra izany: "Aoka ho tanteraka hianareo toy ny fahatanterahan'ny Rainareo Izay any an-danitra." Ahoana no hahatonga antsika ho tanteraka toa an'Andriamanitra mihitsy? Ny fitiavana feno fiheverana ny hafa, tsy misy fitiavan-tena, no toetra tena mampiavaka an'Andriamanitra. Ampianariny ny mpianany ny fomba itiavana ny fahavalony sy ivavahana ho an'ireo izay manenjika azy. Ny fahatanterahana marina dia fitiavana, famelana heloka, ary famindrampo (Lio. 6:36), na dia ho an'ireo izay tsy mendrika izany aza. lo fitsipika io, sy ny asa amam-pihetsika vokatr'izany, no atao hoe maneho taratra ny toetran'Andriamanitra.

Amin'ny fomba ahoana avy no mety hahaizantsika mitia ny hafa, isan'andro, araka ny baiko nomena antsika? Nahoana no mitaky fahafatesan'ny "izaho" mandrakariva izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal