Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.

Daty
Alakamisy 28 August 2025

VALIFATY

"Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo lalana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah." - Rôm. 12:19 (jereo koa ny Deo. 32:35).

Inona no teny fikasana sy baiko hita ao amin'ireo andininy ireo, ary ahoana no mahatonga azy ireo hifandray ety?

Mandra-pitondran'ny Tompo ny rariny, izay tsy mbola misy ankehitriny, dia adidin'ny mpitsara tany Isiraely fahiny ny nampihatra ny lalana sy ny namaritra ny sazy ara-drariny mifanaraka amin'ny fahavoazana na ratra nitranga. Saingy nilain'izy ireo aloha ny niaiky ny zava-nisy. Ny olana tamin'ny andron'i Kristy dia izao: nanome vahana ny valifaty ny fomba nampiharan'ireo mpampiana-dalana io lalana io. Nesorin'izy 'izy ireo tsy ho ao amin'ny tontolon-keviny ilay fitsipika, ary very ny tanjona voalohany. Vokatr'izany, nanjary izay voararan'ny lalåna indray no tena narovan'izy ireo.

Vakio ny Mat. 6:4,6; Mat. 16:27; Lio. 6:23; ary ny 2 Tim. 4:8. Inona no lazain'ireo andininy ireo amintsika momba ny fomba fijerin'i Jesôsy ireo fitsipika momba ny valisoa sy ny famalzana?

Tsy nanohitra ny fitsipiky ny valisoa sy ny famaizana i Jesôsy . Ny rariny dia mifandraika amin'ny fanarahana fitsipika; ampahany manan-danja amin'ny fiainana izany. Kanefa tsy misy olona tokony haka ny toeran'ny mpitsara na ny "mpamono olona", araka ny fiheverany ny rariny. Mora amintsika tokoa ny mamadika ny rariny! Tsy anjarantsika ny mamaly ny ratsy. Raha misy ratsy tokony hovaliana, dia tsy maintsy atao amin'ny alalan'ny fitsarana tsy miangatra izany; izany no asan'ny mpitsara.

Izao no lazain'i Jesôsy amintsika ao anatin'izany tontolon-kevitra izany: "Aoka ho tanteraka hianareo toy ny fahatanterahan'ny Rainareo Izay any an-danitra." Ahoana no hahatonga antsika ho tanteraka toa an'Andriamanitra mihitsy? Ny fitiavana feno fiheverana ny hafa, tsy misy fitiavan-tena, no toetra tena mampiavaka an'Andriamanitra. Ampianariny ny mpianany ny fomba itiavana ny fahavalony sy ivavahana ho an'ireo izay manenjika azy. Ny fahatanterahana marina dia fitiavana, famelana heloka, ary famindrampo (Lio. 6:36), na dia ho an'ireo izay tsy mendrika izany aza. lo fitsipika io, sy ny asa amam-pihetsika vokatr'izany, no atao hoe maneho taratra ny toetran'Andriamanitra.

Amin'ny fomba ahoana avy no mety hahaizantsika mitia ny hafa, isan'andro, araka ny baiko nomena antsika? Nahoana no mitaky fahafatesan'ny "izaho" mandrakariva izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal