Hodinihina mandritra ny herinandro: Dan. 10:7-19; Deo. 13:1-5; Isa. 8:20; Jao. 11:25; Asa. 15:36-39; Jer. 28:9, 15-17.
Tsianjery
"Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin'Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin'izao tontolo izao." - 1 Jao. 4:1
Anisan'ireo vatosoa sarobidy indrindra eto an-tany ny tena diamondra. Mazava loatra fa maro ny zavatra hafa azo amboarina mba hitovy endrika amin'ny diamondra saingy tsy manana ny tombambidiny. Koa ahoana àry no ahafantarana ny tena diamondra na ny sandoka? Ny fomba tsara indrindra dia ny fisedrana azy. Misy fisedrana sasany azo atao ao an-trano amin'ny alalan'ny fitaovana tsotra vitsivitsy, ary misy kosa ireo mila ny fahaiza-manaon'ny matihanina. Ny ankamaroan'ireny fisedrana ireny dia tsy ampy hanaporofo tanteraka ny maha-tena izy ilay vato, nefa raha hamarinin'ny fisedrana maro ny diamondra iray dia ho azo antoka fa tena izy.
Anankiray amin'ireo akora mafy indrindra eto an-tany ny diamondra. Anisan'ny hery manokana ananany ny fahazakany hafanana ambony dia ambony sy ny fiovana lehibe eo amin'ny mari-pana. Mba hisedrana ny diamondra, dia azo atao ny mamana izany amin'ny afo na fantsona faninginana, ary avy eo mandatsaka azy ao anaty rano mangatsiaka. Tsy hanimba ny tena diamondra izany, fa mety hampiparasaka ny diamondra sandoka kosa.
Sarobidy mihoatra noho ny diamondra rehetra ny fanomezam-pahasoavan'ny faminaniana, kanefa izay mitonona ho manana izany fanomezam-pahasoavana izany dia tsy azo raisina fotsiny amin'ny teniny. Tsy maintsy sedraina izany fanambarany izany. Hodinihintsika amin'ity herinandro ity ny amin'ireo mpaminany ao amin'ny Baiboly, mba hahafantarantsika ny fitsipika ara-Baiboly ampiasaina hamantarana ny maha-marina na tsia azy ireo.