Nandritra ny fanafahana ny zanak'Isiraely tany Egypta, dia niteny tamin'ny olony Andriamanitra momba ny fanomezam-pahasoavan'ny faminaniana teo anivon'izy ireo; hoy Izy: "Mba mihainoa ny teniko: Raha misy mpaminanin'i Jehovah eo aminareo, dia amin'ny fahitana no hisehoako aminy, ary amin'ny nofy no hitenenako aminy." - Nom. 12:6.
Matetika ny hafatra sy ny fiantsoana ara-paminaniana no ahitana hery na hevitra ambonin'izay mety ananan'olombelona. Maharay hafatra mivantana avy amin'Andriamanitra ny mpaminany, amin'ny alalan'ny nofy na ny fahitana matetika (Dan. 8:1; Isa. 1:1; Asa. 9:10, sns), ary misy fotoana mety misy fiantraikany manaitra eo amin'ny vatany izany.
Tanisao ny sasany amin'ireo zavatra nanjo an'i Daniela mpaminany rehefa nahita fahitana izy. Jereo ny Dan. 10:7–19.
Tsy nanan-kery intsony i Daniela rehefa naseho azy ny fahitana. Niantehitra tanteraka tamin'Andriamanitra izy nandritra ny faharetan'ilay fanandramana. Na dia tsy nahita ny fahitana aza ireo olona niaraka taminy, dia nahery vaika loatra ny fanatrehan'ny lanitra ka nandositra sy niafina noho ny tahotra izy ireo. Na izany aza, dia ampiasain'Andriamanitra ny fanandramana iainan'ny mpaminany izay miantraika amin'ny vatany, mba hanintona ny sain'ny olona hifantoka amin'ilay mpaminany ka ho voaray ny hafatra entiny.
Inona no ampianarin'ny Deo. 13:1–5 antsika momba ny fanomezam-pahasoavan'ny faminaniana?
Na dia misy toe-javatra miseho ivelany izay manaporofo ny fanatrehan'ny hery ambonin'ny an'olombelona aza, dia tsy midika avy hatrany izany fa tsindrimandry avy amin'Andriamanitra no voarain'ilay olona miaina ilay fanandramana. Mahay maneho toe-javatra misy hery mahagaga koa i Satana. Tsy ampy hanamarinana ny asa maha-mpaminany ny porofo tokana. Na dia eo aza ny fiantraikan'ny fandraisana fahitana eo amin'ilay mpaminany, dia tsy maintsy zahan-toetra izy. Tsy ampy hisedrana ny maha-tena izy ny fanomezam-pahasoavan'ny faminaniana mantsy ny fisehoan'ny hery ambonin'ny herin'olombelona. Tsy maintsy hitantsika ireo fisedrana rehetra araka ny Baiboly vao azontsika atao ny milaza fa irak'Andriamanitra ny olona iray. Indrisy fa feno mpaminany sandoka teo amin'ny tantara (jereo ny Mat. 7:15).
Fahita matetika any amin'ny kolontsaina sasany ny fisehoan-javatra mampiseho hery ambonin'ny herin'olombelona. Nahoana no tsy maintsy mitandrina fatratra isika rehefa manandrana mamantatra raha tena avy amin'Andriamanitra tokoa ny toe-javatra iray toy izany na tsia?