Ambaran'ny 1 Jao. 4:1–3 fa ny finoana ny fahatongavan'i Jesôsy ho nofo no fepetra azo hanavahana haingana ireo olona mitonona ho mpaminany avy amin'ireo fivavahana lehibe eto an-tany, na ireo izay milaza ho manana fifandraisana manokana amin'ny tontolo ara-panahy nefa tsy ao anatina antokom-pivavahana. Raha toa ny olona "tsy manaiky fa tonga nofo i Jesôsy Kristy", dia "tsy mba avy amin'Andriamanitra" izy (1 Jao. 4:3, dikanteny NKJV).
Raha nanoratra ireo andalan-teny ireo i Jaona, dia ny mpampianatra sandoka no tao an-tsainy, ireo izay nampianatra fa tsy tena olombelona feno i Jesosy, fa niendrika ho olona fotsiny. Nefa tsy ampy ny faneken'ny mpaminany iray fa Olombelona tena niaina teto an-tany i Jesôsy , satria saika ny Kristianina rehetra no mino izany. Niresaka momba ny olana manokana tamin'izany fotoana izany i Jaona. Kanefa ireo teny ara-paminaniana nolazainy dia mbola mitahiry fahamarinana manan-danja ho an'ny taranaka atỳ aoriana, na natao ho an'ny toe-javatra manokana tamin'izany aza.
Inona no ambaran'ireto toko sy andininy manaraka ireto amintsika momba an'i Jesôsy ? Jao. 3:16; 2 Kôr. 5:21; Jao. 11:25; Heb. 4:14–15; Jao. 14:1–3.
Ny mpaminany marina dia tsy maintsy mino fa Andriamanitra tonga nofo nefa koa tena olombelona i Jesosy. Tsy maintsy mandray ny fahamarinana feno momba an'i Jesosy koa izy: ny iraka nampanaovina Azy, ny fiainany tsy voampentin'ny ota, ny fahafatesany ho fanavotana, ny fitsanganany tamin'ny maty, ny asa maha-mpisoronabe Azy any an-danitra, ary ny fiaviany fanindroany. Tsy fanekena ny nahatongavan'i Jesosy teto an-tany amin'ny saina fotsiny izany. I Jesôsy mihitsy no tokony ho ivon'ny fampianaran'ny mpaminany fa tsy ho fanampinampiny fotsiny. Ary ny hafatra entin'izany mpaminany izany dia tokony hitarika ny olona hanana fifandraisana mahavonjy amin'i Jesôsy .
Ny teny faminaniana avy amin'ny tsindrimandrin'ny Fanahy Masina no fahazavana avy amin'Andriamanitra izay mandroaka ny haizina ao anatintsika, mandra-pahatonga an'i Jesosy, ilay Kintan'ny maraina, hamirapiratra ao am-pontsika. Ary ny fanomezam-pahasoavan'ny faminaniana dia mampiray antsika Aminy no sady mampifantoka ny saintsika Aminy mandrakariva.
Tsy hitady ny hanangana vondron'olona mpanara-dia azy na hanindrahindra ny tenany ny mpaminany izay manandratra an'i Jesôsy (Asa. 4:12). Vonona hanompo izy ireo fa tsy hanararaotra ireo olona nanirahana azy. Etsy ankilan'izany anefa, araka izay ho hitantsika rahampitso, dia olombelona tahaka antsika ihany ny mpaminanin'Andriamanitra, mpanota mila ny filazantsara.
Nahoana no tena ivon'ny finoantsika tokoa ny fahatakarana fa i Jesôsy , Andriamanitra feno, dia maty nisolo antsika ka nizaka ny famaizana noho ny fahotantsika? Inona no verintsika raha tsy mitana izany fampianarana izany isika?