Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampodiana ho amin’ny tany

Daty
Alakamisy 27 November 2025

FAMPODIANA HO AMIN'NY TANY

Vakio ny Jer. 24:6; Jer. 31:16; Ezek. 11:17; Ezek. 28:25 ary ny Ezek. 37:14.25. Inona no teny fikasan ‘Andriamanitra mikasika ny fiverenan'ny Isiraely any amin'ilay Tany Nampanantenaina, ary ahoana no nahatanterahan'izany?

Nandritra ny fotoam-pahababoana tany Babylona, dia tsy fanandramana maho-nena ihany no niainan'ny Isiraelita, ny tsy fananany tany izany. Hitan'izy ireo tamin' izany koa mantsy fa ny teny fikasana mikasika ny fifandraisany amin'Andriamanitra, na dia notanterahina tamin'ny alalan'ny fampanantenana azy ny tany aza, dia tsy niankina tamin'ny fitoeran'izy ireo tao amin'ilay tany na voafetran'izany. Rehefa niaiky ny fahotany sy nibebaka ary nitady an'i Jehovah tamin'ny fony rehetra ny Isiraelita, dia notanterahin'Andriamanitra indray ny teny fikasany, ka nampodiny ho any amin'ny taniny indray izy ireo ho fanehoana ny famerenana azy amin'ny laoniny. Izany hoe, mbola Andriamanitr'izy ireo hatrany Izy, na dia tsy tao amin'ilay tany aza izy ireo.

Na izany aza, misy fepetra ny teny fikasana mikasika ny fonenan'ny Isiraely mandrakizay eo amin'ny tany (Deo. 28:63,64; Jos. 23:13,15; 1 Mpanj. 9:7; 2 Mpanj 17:23; Jer. 12:10-12), tahaka izany koa ny teny fikasana ny amin'ny hampodiana azy ireo indray ho ao sy ny hanomezana azy fiadanana sy fahombiazana aorian'ny fahababoana. Eo ankilan'izany, ireo mpaminanin'ny TT dia nanondro ny famerenana amin'ny laoniny izay hataon'ny mpanjaka iray eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida (Isa. 9:5,6; Zak. 9:9,16). Tanteraka io teny fikasana io teo amin'ny fiainan'i Jesosy Kristy sy ny fahafatesany ary ny fitsanganany tamin'ny maty. Ao Aminy no hahatanteraka ireo teny fikasana rehetra nomena ny Isiraely fahiny.

Tsy tononina mivantąna ny Tany Nampanantenaina ao amin'ny TV; ambara amintsika kosa fa efa tanteraka ao amin'i Jesosy Kristy sy amin'ny alalany ireo teny fikasan Andriamanitra (2 Kôr. 1:20; Röm. 15:8). Araka izany, noho ny amin'i Kristy, dia nomena heviny vaovao ny tany, ka nanjary tandindon'ny fitahiana ara-panahy izay irin'Andriamanitra homena ireo vahoakany mahatoky ety sy amin'izao fotoana izao (Efes. 2:6) ary rahatrizay.

Any amin'ny tany vaovao no ho fahatanterahana faratampon'ny teny fikasan' Andriamanitra momba ny fitsaharana, sy ny fiainana be dia be ary ny fiadanana eo amin'ny tany, tany vaovao izay tsy hisy fahotana sy ny vokany rehetra. Araka izany, ny fanantenantsika amin'ny maha-Kristianina antsika dia miorina amin'ny teny fikasan'i Kristy fa hiverina Izy ary hanorina ny fanjakany mandrakizay eo amin'ny tany izay havaozina indray aorian'ny arivo taona any an-danitra. Izany no ho fahatanterahana faratampon'ireo teny fikasana rehetra mikasika ny tany.

Vakio ny Jao. 14:1-3 sy ny Tit. 2:13 ary ny Apok. 21:1-3. Inona no fanantenana faratampony ho antsika ao amin'ireo toko sy andininy ireo, ary nahoana ny fahafatesan'i Jesosy no antoka ho an'ny fahatanterahan'izany fanantenana izany?
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal