Ahoana no hamaritanao sy hanoritsoritanao ny fahotana amin'ny olona iray tsy Kristianina? Ahoana no amaritan'ny Baiboly ny fahotana? Vakio ny Rôm. 3:20 sy ny 1 Jao. 3:4.
Ny fahotana dia fandikana ny lalàn'Andriamanitra (1 Jao. 3:4), ary fironana ao anatintsika koa izany (Sal. 51:5; Jer. 17:9). Araka izany, ny lalàna no mampiseho mazava ny tena toetry ny fahotana. Toy ny fanaovana solomaso mba hahitana mazava izay manodidina antsika, na koa ny fampiasana fitaratra mba hahitantsika ny sarintsika izany. Mitondra fahazavana sy fandresen-dahatra eo amin'ny fiainantsika sy ny toetrantsika ny lalàna, ary asehony antsika miaraka amin'izany ny toetran'Andriamanitra sy izay zava-dehibe Aminy.
Ny rantsan-tanan'Andriamanitra mihitsy no nanoratra ny didy folo (Eks. 20:3-17). Namerina nilaza ny lanjan'ireo didy ireo i Jesôsy: "koa tiava an'i Jehôvah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra (Deo. 6:4,5). Ary ny faharoa dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19:18). Tsy misy didy hafa lehibe noho ireo." - Mar. 12:30,31. Izao no nanampiany izany: "izany didy roa izany no ihantonan'ny Ialana rehetra sy ny mpaminany." - Mat. 22:40.
Ny tenin'Andriamanitra tamin'ny Isiraely teo an-tendrombohitra Sinay sy ho antsika ankehitriny (Heb. 1:1,2) dia mampiseho fa mahakasika indrindra ny fifandraisana ny lalana. Nomen'Andriamanitra ny lalàna ho fefy hiarovana ny fifandraisantsika Aminy sy amin'ny hafa. Nasehon'i Satana tamin'ny endriny tsy izy anefa ny hatsaran'ny lalan'Andriamanitra mba hahitan'ny olona sasany azy ho toy ny enta-mavesatra. Fisehoana ho fatra-panara-pitsipika no matetika ampifandraisina amin'ny lalana fa tsy fitiavana sy fahalalahana; nefa ny Baiboly dia milaza izao teny izao amintsika: "Fa izao no fitiavana an'Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny." - 1 Jao. 5:3.
1. Raha eo amin'ny maridrefy 1 ka hatramin'ny 5, hatraiza ny hasarobidin'ny Tenin'Andriamanitra velona (sy ny lalàna izay tafiditra ao anatin'izany) amiko?
2. Rehefa mieritreritra momba ny lalan'Andriamanitra aho, maneritery ahy ve izany sa mampahatanjaka ahy? Ahoana no hahatakarako bebe kokoa ny lalàna raha toa tsapako fa maneritery ahy izany?
3. Inona no mety hitranga raha toa ny lalarn-pitiavan'Andriamanitra apetrako ho ivon'ny fiainako sy ny ankohonako ary ny fiangonana misy ahy? Mety hanova Inona eo amin'ny fiainako sy ny fifandraisako amin'ny hafa izany?