Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mahatsiahy ny tantara ary midera an'Andriamanitra

Daty
Alatsinainy 04 March 2024

Vakio ny Sal. 105. Inona avy ireo vanim-potoana ara-tantara mbamin'ny lesona ampitain'izany asongadina ao amin'io Salamo io?

Tranga manan-danja, izay namaritra ny fifandraisam-panekena teo amin'Andriamanitra sy ny Isiraely olony no ampahatsiahivin'ny Sal. 105. Mifantoka amin'ny fanekena nataon'Andriamanitra tamin'i Abrahama izany, izay nanomezany toky fa homeny azy sy ny taranany ny Tany Nampanantenaina. Voalaza koa ny fomba nanatanterahan'Andriamanitra io teny fikasana io - izay nohamafisina tamin'i Isaka sy i Jakoba - tamin'ny alalan'i Josefa, Mosesy, Arôna, ary tamin'ny fotoana nakana ny tany Kanana. Mitondra fanantenana ho an'ny vahoakan'Andriamanitra rehetra mifandimby io Salamo io, satria ny asa mahatalanjona nataon'Andriamanitra tamin'ny lasa dia manome antoka ny tsy fiovan'ny fitiavan'Andriamanitra ny olony amin'ny fotoana rehetra (Sal. 105:1-5,7,8).

Misy itoviany ihany ny Sal. 105 sy ny Sal. 78 (jereo ny lesona omaly) saingy tsy mitantara ny fahadisoana lasa nataon'ny vahoaka ny Sal. 105. Manan-tanjona hafa izy.

Averina ny tantara ao amin'ny Sal. 105, izay itantarana ny fiainan'ireo patriarika lehibe indrindra teo amin'ny Isiraely, ahitana ny fitondran'Andriamanitra, ary ny fiaretana sy ny faharetan'ireo patriarika ireo tao anatin'ny sarotra. Novaliana soa tokoa ny faharetana sy ny fahatokian'izy ireo. Koa manasa ny olona hanam- pinoana tahaka ny an'ny patriarika ny Sal. 105, ary koa hiandry amin-toky ny fanafahan'Andriamanitra amin'ny fotoany.

Miendrika hira ny Sal. 105 (Sal. 105:1-7), izay maneho fa mila mahafantatra ny zava-nitranga teo amin'ny tantarany ny vahoaka mba hahazoany midera an'Andriamanitra marina araka ny tokony ho izy. Sady manaporofo ny maha-marina ny finoantsika ny tantara no mampiseho koa ireo antony tsy tambo isaina tokony hiderana an'Andriamanitra.

Ambara ho taranak'i Abrahama sy taranak'i Jakoba ny mpivavaka (Sal. 105:6), ary izany dia raisina ho fahatanterahan'ny teny fikasana nataon'Andriamanitra tamin'i Abrahama mba hahatonga azy ho firenena lehibe (Gen. 15:3-6). Asongadin'ny mpanao Salamo mazava ny fifandraisana mitohy eo amin'ireo patriarika sy ireo taranaky ny vahoakan'Andriamanitra aty aoriana. Tsindriany tsara fa "Manerana ny tany rehetra ny fitsarany" - Sal. 105:7, ka anariny ny mpivavaka tsy hanadino fa Tompo sy Mpanjakan'izao tontolo rehetra izao koa ny Andriamanitsika, ary ny olona rehetra no anehoany ny fahatsaram-pony (Sal. 96:1; Sal. 97:1). Mazava fa antso ho amin'ny fahatokiana, izay alefa amin'ny taranaka mpino rehetra izany.

Ahoana no tokony handraisantsika ny tenantsika ao anatin'io tetiarana io, izay manomboka amin'i Abrahama no ho mankaty? (Jereo ny Gal. 3:29.). Inona ny lesona tokony hotsoahintsika avy amin'io tantara io?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (9)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal