Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manakaiky ny fiainan-tsi-hita

Daty
Alatsinainy 29 January 2024

Vakio ny Sal. 41:1-4; Sal. 88:3-12 ary ny Sal. 102:3-5, 11, 23, 24. Inona ny fanandramana resahin'ireo andalan-teny ireo? Efa nahatsapa toy izany koa ve ianao?

Asehon'ireo vavaka fangatahana fanafahana amin'ny aretina sy ny fahafatesana ireo fa tsy afa-miala amin'ny fahoriana eto amin'izao tontolo izao ny zanak'Andriamanitra. Maneho ny fahorian-dehiben'ny mpanao Salamo ireo Salamo ireo. Tsy manan-kery izy, malazo tahaka ny ahitra, tsy mahinan- kanina, nafoy ho any amin'ny maty, tahaka izay voavono mandry ao am-pasana, nampanalavirina ny sakaizany, ory sy mijaly. Miraikitra amin'ny hodiny ny taolany.

Salamo maro no maneho ny hevitra fa navelan'Andriamanitra hiseho ny fahoriana noho ny tsy fankatoavan'ny Isiraely. Manaiky ny mpanao Salamo fa mety mitondra aretina ho an'ny olona ny fahotana; noho izany no iresahany ny amin'ny famelan-keloka izay mialoha ny fahasitranana (Sal. 41:3,4). Na izany aza, ny Salamo sasany, toy ny Sal. 88 sy ny Sal. 102, dia miaiky fa toe-javatra mpiseho eo amin'ny fiainana ny fahorian'ny vahoakan'Andriamanitra, na dia saro-takarina tokoa aza izany.

Andriamanitra no ambaran'ny Sal. 88 fa mitondra ilay mpanao Salamo ho eo ambavahoana (Sal. 88:6-8). Mariho anefa fa na dia fitarainana feno fahasahiana indrindra aza no soratana eto, dia miharihary fa maneho finoana izany fitomaniana izany, fa raha avelan'Andriamanitra ao amin'ny fiandrianany hiseho izany fahoriana izany dia azony atao ny mamerina amin'ny laoniny indray ny fiadanan'ny zanany.

Raha eo ambavahoana ilay mpanao Salamo dia tsaroany ireo fahagagana nataon'Andriamanitra sy ny fahalemem-panahiny feno fitiavana, ny fahatokiany ary ny fahamarinany (Sal. 88:10-12). Na dia mahatsapa ho voakapok'Andriamanitra aza ilay mpanao Salamo, dia mbola mifahatra Aminy ihany. Na dia ory aza izy dia tsy mandà ny fitiavan'Andriamanitra, ary fantany fa Andriamanitra no hany famonjena ho azy. Asehon'ireo antso ataony fa tsy ny fahoriana ihany no fantatr'ilay mpanao Salamo, fa fantany tsara koa ny fahasoavan'Andriamanitra, ary tsy voatery hifanipaka mandrakariva ireo roa ireo.

Raha fintinina, ny famelan'Andriamanitra ny fahoriana hiseho sy ny fanafahany dia fanehoana ny fiandrianany lehibe. Mitondra fanantenana ny fahafantarana fa mifehy ny toe-javatra Izy. Rehefa mamaky ny Sal. 88 eo am-pisaintsainana ny fahorian'i Kristy isika, dia talanjona ny amin'ny halalin'ny fitiavany izay nanekeny hiditra ny varavaran'ny fahafatesana ho an'ny taranak'olombelona.

Eritrereto ny amin'i Jesôsy eo amin'ny hazo fijaliana sy ny niaretany fahoriana noho ny fahotana. Niaritra ny fahoriana mafy indrindra noho izay niaretantsika Andriamanitra tao amin'i Kristy, ahoana no anampian'izany antsika hihazona ny finoana na dia ao anatin'ny fotoam-pahoriana sy fitsapana aza?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal